FANTATRAREO VE FA I DADA SY I NENY, NY VADY, NY MPIRAY TAMPOHA, NY HAVANA AKAIKY, … NO MIROTSAKA MANERA VODY AMIN ´IZAO FOTOANA IZAO ?
Antony iray mahatonga antsika ho tafiditra anatin’ny sokajy faharoa arahi – maso, na ´´catégorie 2 avec surveillance ´´, @ tatitra manerantany, ataon ‘ny États – Unis isantaona io.
Isika havana sy namana akaiky mihitsy no mitrandraka sy mivarotrolona, @ alalan’ny famarinana olona mankany @ fanandevozana moderina, na »traite de personnes par l’exploitation sexuelle », ary manjifa ny vola azon’ilay zanaka, na vady, avy @ fivarotatena.
Voafaritra ao @ lalàna io
Référence Juridique : Article 334 du Code Pénal.
Mbola hejehina koa ao @ Lalàna 2014 – 040 t@ 15 janoary 2015, ary tafiditra ao @ ´´Plan national pour la lutte contre la traite des êtres humains II ´´.
Anisan’ny antony mampandrongatra sy mampiakatra ny isan’ny iharan’io fitrandrahana olona @ fampivarotatena sy fanerana vody io manerantany, isika havana akaiky mpamporisika, mpanelanelana, mpanjifa ny azo.
Izay ihany koa no mahatonga ny famarinan’olona ho andevo, hitana ny laharana fahatelo, ao aorian’ny varotra fitaovampiadiana sy zavamahadomelina.
Farany, fantaro fa asa faran’izay ratsy tsy azon’ny ankizy latsaky ny 18 taona hatao ny fivarotatena, ary mafy kokoa ny sazy ho an’ireo mampanao azy izany.
Ndao resena io, fa NY OLONA TSY ENTAMBAROTRA !
𝗣𝗥𝗢𝗫𝗘𝗡𝗘𝗧𝗜𝗦𝗠𝗘 (Manera olona ho amin’ny fijangajangana)
Ny atao hoe « proxénétisme » dia ny fitadiavana tombony avy amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa.
𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗻𝗼 𝗮𝘇𝗼 𝘀𝗼𝗸𝗮𝗷𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗽𝗿𝗼𝘅é𝗻é𝘁𝗶𝘀𝗺𝗲 ?
Ny fanampiana na fiarovana ny fivarotan-tenan’ny hafa ;
Ny manakarama, mampiofana, na manery olona hivaro-tena na hanohy hivaro-tena ;
Ny fakana tombony amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa ;
Ny fanelanelana eo amin’ilay olona mivaro-tena sy ilay olona manararaotra na manakarama ho amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa.
Ny fanampiana mpanera ho amin’ny fijangajangana (proxénète) hanaporofo loharanon-karena foronina.
Ny fiaraha-miaina amin’ny olona mivaro-tena kanefa tsy mahavita manaporofo loharanon-karena hafa ahafahany manambara fa mamelon-tena irery izy.
𝗡𝘆 𝘀𝗮𝘇𝘆 𝗺𝗲𝘁𝘆 𝗵𝗶𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 :
Sazy an-tranomaizina roa taona ka hatramin’ny dimy taona ary lamandy 1.000.000 Ariary hatramin’ny 10.000.000 Ariary (article 334 du Code pénal).