๐…๐ˆ๐€๐‘๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐•๐€๐‘๐ˆ๐‘๐€: ๐‡๐€๐“๐’๐€๐๐†๐€๐๐€ ๐“๐Ž๐„๐‘๐€๐๐€ ๐‡๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐€๐™๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐€๐๐Š๐ˆ๐™๐˜ ๐‡๐Ž๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐‹๐Ž๐‡๐€๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐•๐€๐Ž๐™๐€๐๐€

13 0
Manamafy ny ady aminโ€™ny fanapahan-doha sy ny fiarovana ny ankizy marefo ny fitondrana
Mihamafy hatrany ny ahiahy sy ny tebitebinโ€™ny mponina manoloana ny fitomboanโ€™ireo tranga fanapahan-doha mahakasika ireo ankizy varira any aminโ€™ny faritra maro eto Madagasikara. Ho setrinโ€™izany toe-javatra mampanahy izany dia nanambara fepetra vaovao ny Filohanโ€™ny Fanavaozana, izay mikendry ny hanamafisana ny fiarovana sy ny fikarakarana ireo ankizy lasibatra.
Araka ny fanazavana navoakany, dia hisy toerana manokana hatsangana handraisana ireo ankizy varira mba hiantohana ny fiarovana sy ny fahasalamany. Efa voafaritra sahady ny tany hanatanterahana izany tetikasa izany, ary tsy ho ela ny hanombohanโ€™ny asa fananganana.
Toerana feno fotodrafitrasa sy fiarovana
Tsy ho toeram-ponenana tsotra ihany anefa no hatsangana. Nambaranโ€™ny Filohanโ€™ny Fanavaozana fa hisy sekoly, chapelle ary fotodrafitrasa ilaina aminโ€™ny fiainana andavanandro ao anatinโ€™io toerana io. Hatao laharam-pahamehana ihany koa ny filaminana, ka hisy miaramila, zandary na polisy hiandraikitra ny fiambenana sy ny fiarovana ireo ankizy sy fianakaviana hipetraka ao.
Tanjona aminโ€™izany ny hamoronana tontolo azo antoka sy milamina, ahafahanโ€™ireo ankizy varira miaina sy mianatra tsy misy tahotra.
Tranga nahoraka tany Toliara: olona valo nosamborina
Etsy ankilany, niteraka resabe ny raharaha fanapahan-doha ankizy varira nitranga tany Toliara. Raha ny tatitra voaray dia olona valo no voasambotra sy atao famotorana aminโ€™izao fotoana izao, ary karandoha roa no voalaza fa tratra nandritra ny fanadihadiana.
Mahavariana fa ahitana olona avy aminโ€™ny sokajinโ€™asa sy sehatra samihafa ireo voarohirohy, anisanโ€™izany ny ombiasy roa, mpianatra eny aminโ€™ny oniversite, mpiasam-panjakana ary olon-tsotra.
Mitaky mangarahara aminโ€™ny fanadihadiana
Manoloana ny fahamaroanโ€™ny resaka sy ny tombantombana miparitaka, dia nanao antso avo aminโ€™ireo tomponโ€™andraikitra misahana ny fanadihadiana ny Filohanโ€™ny Fanavaozana mba hampahafantatra aminโ€™ny fomba mangarahara ny valinโ€™ny fanadihadiana.
Nohamafisiny fa manan-jo hahafantatra ny marina ny vahoaka Malagasy, indrindra raha misy olona manana andraikitra ambony na manam-pahefana voarohirohy aminโ€™ity raharaha ity.
Toromarika hentitra ho anโ€™ny mpitandro filaminana
Nandritra izany dia nanome toromarika mazava ho anโ€™ireo tomponโ€™andraikitra rehetra, indrindra ny mpitandro filaminana, ny Filohanโ€™ny Fanavaozana mba handray andraikitra feno sy hentitra aminโ€™ny ady aminโ€™ireo tambajotra sy olona voarohirohy aminโ€™ny herisetra atao aminโ€™ireo ankizy varira.
Mampitombo ny ahiahinโ€™ny mponina mantsy ny fitranganโ€™ireo raharaha fanapahan-doha misesisesy tato anatinโ€™ny fotoana vitsy, ka mitaky fandraisana andraikitra haingana sy mahomby avy aminโ€™ny fanjakana sy ny rafitra mpampihatra lalร na.
Raha mbola mitohy ny fanadihadiana momba ireo raharaha mampihorohoro ny sainโ€™ny maro, dia manome fanantenana ny fikasana hanangana toerana manokana hiarovana ireo ankizy varira. Mbola andrasanโ€™ny vahoaka kosa ny fahafantarana ny marina rehetra sy ny fanasaziana ireo tomponโ€™antoka, mba hahafahanโ€™ny filaminana sy ny fahatokisanโ€™ny olom-pirenena miverina indray.
Nangonin’ Lay Mahitsy

Related Post

๐‘ซ๐’“ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’… (๐‘ฌ๐’…1) : ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ป๐‘ฐ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ต- ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐‘ถ ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ฏ๐’€ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘ด๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ

Posted by - dรฉcembre 4, 2023 0
๐‘ซ๐’“ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’… (๐‘ฌ๐’…1) : ๐‘ญ๐‘ฐ๐‘ป๐‘ฐ๐‘จ๐‘ฝ๐‘จ๐‘ต- ๐‘ป๐‘จ๐‘ต๐‘ฐ๐‘ต๐‘ซ๐‘น๐‘จ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘จ ๐‘ต๐‘ถ ๐‘ต๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘บ๐‘ฐ๐‘ฒ๐‘จ ๐‘จ๐‘ฏ๐’€ ๐‘ฏ๐‘จ๐‘ต๐‘ถ๐‘น๐‘ฐ๐‘ต๐‘จ ๐‘ป๐‘ถ๐‘ฉ๐‘ฐ๐‘ต’๐‘ต๐’€ ๐’๐‘จ๐‘ต๐‘ซ๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘ด๐‘จ๐‘น๐‘ฐ๐‘จ Hoy ny ๐‘ซ๐’“ ๐‘น๐‘จ๐‘ฒ๐‘ถ๐‘ป๐‘ถ๐‘ด๐‘จ๐‘ณ๐‘จ๐‘ณ๐‘จ ๐‘ฌ๐’…๐’Ž๐’๐’๐’…, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…