📌 Tongasoa eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Manandrina.
I Manandrina dia iray amin’ireo Kaominina mandrafitra ny Distrika Antananarivo Avaradrano, lasa Kaominina malaheleon-tena izy rehefa nisintana tamin’ny Kaominina Sabotsy Namehana ny taona 2003.
 
📌 Manana mponina 12 500 isa eo ho eo i Manandrina izay miparitaka ao anatin’ny Fokontany miisa 6, mirefy 15,5 kilaometra tsy mivadimandry no velaran-tany ipetrahan’ity Kaominina ity, raha 15 Km monja, manaraka ny lalam-pirenena faha3 no lalana mankany.
Ankoatry ny fandraharahana, fampianarana, dia Mpamboly sy mpiompy ny mponina ao aminy.
 
📌 Tiana ny manamarika, fa ny Borigadin’ny Zandarimariam-pirenena any Sabotsy Namehana no misahana ny fitandroana ny fahalemana ety an-toerana, izay notsimpihin’ireo olona sendranay fa mbola tsy dia nisy ny asan-dahalo hatreto, fa ny hala-botry no mateti-piseho. Ny tanana tokoa lahy tsy hilaozana adala.
 
📌 Ara Tantara, dia nisy rian-drano be, (izay efa tsy hita intsony) teto, ka rehefa handeha hankaty Sabotsy Namehana i Andrianampoina, dia nahita an’io rian-drano be io, izay tsy fahita firy ety amin’ny manodidina, dia vaky volana izy nilaza fa tena manana riana be ity tanana ity, ka dia raikitra hoe Manandriana mbarak’androany ity tanana manana ny toerany eto amin’ny Distrika Avadrano ity.
 
📌 Hita ato avokoa ny tambohon’ny taolo, izay natao tamin’ny atody, ireo hadivory marobe, ary mbola misy ny trano nentim-paharazana Malagasy maro mijoro eto, na dia eo aza ny trano maoderina ankehitriny.
📌 Fa ny tena mampalaza an’i Manandriana ihany koa, dia ny Savik’omby isaky ny fankalazana ny faha 26 Jona. Izay tanterahina eto anivon’ny Kaominina, vory lanona avokoa ny vahoaka, tonga maromanotrona ny Zanak’ampielezana manatrika izany. Hanasana anao manokana mba hijery raha liana !!!
 
📌 Rivotra madio, tontolo maintso mavana, ravahan’ireto vakoka mitahiry ny ela!! izany no mandravaka an’ity tanana milamina ao anatin’ny tontolo voaaro ity.
 
🔳 Nangonin’i ‘Lay Mahintsy