Ny feonydemokrasia.mg dia sehatra fanaovana gazety an’habaka ( presse en ligne) mitatitra ny vaovao rehetra miseho eny anivon’ny fiaraha-monina, kanefa tsy afa-misaraka amin’ny vaovao ara-politika, toe-karena sosialy, kolontsaina, fanatanjahan-tena, ary ny fahasalamana avy eto Madagasikara sy any ivelany.
Nanolo-tena hanome vaovao maimaim-poana, ary azo arahina amin’ny fotoana rehetra, natao ho an’ny daholobe. Noho ny fahaiza-manao ananan’ireo Mpanao Gazety mivondrona ato anatin’ny feonydemokrasia.mg, dia manolotra lahatsoratra fandalinana, tatitra mazava hita eny an-kianja ary tafatafa manokana, mba hahafahan’ny olom-pirenena mahazo vaovao azo antoka sy voamarina.
Mandrakotra ny vaovao amin’ny fotoana itrangan’ny tranga izahay ary mitatitra izany ho tombotsoan’ny daholobe, ao anaty fanajàna ny demokrasia tanteraka.
Ny tanjonay dia ny hampiroborobo ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny lafiny rehetra eto an-tanindrazana.


