»Le Social bouge et innovation oblige !!! »
Santionany ito, ary tsara foana ny mahalala ny tantara nisy sy ny fivoarany ary ny endriny @ izao, ahafahana manavao ny fihatsehana ifotony. 
VALABE & LAPABE – FIRAISANA ARA-NOFO FAOBE FANAON’NY NTAOLO TETO IMERINA

Anisan’ny fomba tranainy indrindra fanao teto Imerina ny #VALABE sy ny #LAPABE, fomba izay mifantoka indrindra amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo faobe: firaisana amin’ny samy mpihavana, firaisana amin’ny samy mpiaramonina sy mpiray vodirindrina ary mpiray vohitra.
Raha araka ny fikarohana nataon’ny manampahaizana sy ny akademisiana dia fomba nolovain’ny Merina avy any Azia izy ity, avy ao Inde raha ny marina kokoa ary mbola maro no manao io fomba io any ankehitriny fa ny teto Imerina kosa efa natsahatra tanteraka.
Rehefa andro fandroana dia misy ny atao hoe « Fo tsy aritra » sy « Andro tsy maty » ka mandritra izany no anatanterahana ny valabe. Amin’io andro tsy maty io dia samy manao izay tiany ny olona, malalaka amin’izay ataony afa-tsy ny mandika ny lalam-panjakana maha meloka ihany; izay no tsy azo atao.
Mahazo mandeha manao firaisana any amin’izay olona tiany anaovana ny rehetra ka ny havan’andriana mahazo mandeha any amin’ny hova, ny hova mahazo mandeha any amin’ny andriana hatramin’ny andevo. Koa dia manao daholo ny iray tanàna, misy ny mandeha maromaro ka samy mifampitaingina sy afaka mifanakalo arak’izay tiany izy rehetra ary tena ao anatin’ny fahalalahan-tsaina tanteraka no anaovan’izany, tsisy fady. Misy ihany anefa andriana tsy nanao fo tsy aritra noho izy mitondra ny tany sy ny fanjakana satria hoy izy ireo hoe « aoka hanana fo maharitra, fa izay tsy maharitra tsy manana. » Tao koa ireo andriana tsy maharitra ka lasa manafika andevo saingy miafina fa raha tratra dia tsy maintsy ampandroina alana faditra, anaovana fomba vao miverina madio.
Ny lapabe indray dia saika ny andriana no tena manao azy, ka ny samy mpihavana sy mpianakavy no miray hefitra manatanteraka izany. Amin’ny andriana dia tsy mba ny tarehy loatra no itiavana olona iray fa ny razana itoviana sy hitambarana.
Amin’ny fandroana ihany koa no anaovana ny lapabe ka tsisy ankijery tarehy fa samy mandray izay hitsiny fotsiny, tsisy manadiady hoe zana-joky ity sa zana-jandry, tsy asiana fanontany be hoe iza ito fa dia asiana izay tonga ao an’efitra ao, ary mifampiarahaba tratry ny taona daholo rehefa tonga ny maraina. Tsy nataon’ny andriana ambanin-javatra mihitsy io fomba iray io satria nanomboka teo amin’Andriamasinavalona dia amin’io fotoana koa no ahitana ny vintan’izay zanak’andriana ho ampanjakaina. Radama izao ohatra dia tao am-panaovana lapabe no nisafidianana azy ho mpandimby an’Andrianampoinimerina satria izy irery ihany no misondro-mandry fa sisan’izay nitambotsotra daholo.
Mpanatontosa : Malagasy Ketamanga






