Fiara fitaterana malaza any amin’iny faritra atsimo satria mampitohy ny tananan’i Toliara sy Tolagnaro. Misy ny lafitsarany ary misy ny lafiratsiny.  Ny lafiratsiny satria mifaneritery tsy misy ohatr’izany ny mpandeha ao anatiny satria mifanao 8 na 7 isakin’ny laharan-tseza. Manampy an’izany koa ireo entan’olona izay asitrika ao ambany sezan’ny mpandeha. Na dia misy izany fahasarotana izany dia tsy mahasakana ny mpandeha hampiasa ito zotra TRANSMAHEFA ito rehefa handeha hody na hivezivezy.
 
Ny lafitsarany dia fiara lehibe fitaterana mpandeha isan’ny haingana rehefa mandeha ary ny ny fiara 4X4 dia tsy maharaka ny fandehany rehefa mifanena aminy amin’iny lalana RN13 iny. Na ny tenako nandeha tany Androy dia nifanena taminy ka nahita ny hafainganany rehefa mandeha. Anisany tia camion koa ny tenako ankoatran’ny resaka fizarana tantara ataoko eto ireny satria mitondra ireny koa ny tenako rehefa aty an-dafy. Efa nentiko daholo na ny camion 12 sy 19 tonnes(samy 2 essieux) ary ny 26 tonnes(3 essieux). Ilay camion TRANSMAHEFA ito izay natao fiara fitaterana mpandeha dia chassis na camion Mercedes 26 tonnes 3 essieux no mampiasaina navadika ho fiara lehibe fitaterana.
 
Eto amin’ny sary izy dia mamakivaky ny lalana eny an-tampon’ny Horombe sy ny lalana efa miditra any amin’ny faritra Androy iny.
 
N.B: vidéo Jean Baptiste Raz sur Youtube
RANGERS TSIHALIGNO