Rehefa nanafatra ireo ombiasy Antemoro ho tonga hanampy azy tamin’ny fampandriana ny fanjakany tao Antananarivo ny mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA dia mbola ZAZA SOZA na « mpanara dia sady- mpibaby ny rain-drizareo fantatra amin’ny anarana hoe RAFARAMALAZA, izay tonga tamin’ny fahanterany, no andraikitra notanany voalohany tamin’izany fotoana izany. Ny rahalahiny tafaradia tamin-drizareo ka nanampy azy tamin’izany andraikitra izany dia RATSILIKAINA.
Raha ny soratra navelany ny mpanoratra FERNAND KASANGA dia tsy dia mbola nahitana ny sangan’asan’i ANDRIAMAHAZONORO ny vanim-potoana nanjakan’ny mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA. Ny fotoana nanjakan’ny zanak’ito mpanjaka ito izany hoe ILAIDAMA I vao niseho sy nisandratra ny maha ANDRIAMAHAZONORO azy ka voarakitra an-tsoratra tamin’ireto andraikitra maro samihafa ireto izay nasain’ito mpanjaka ito ho sahaniny. Tao an-dapa dia votendry ny tenany hisahana andraikitra maro samihafa. Voalohany amin’izany ny tenany no notendreny ho lehibe ny ombiasy sy ho mpamoaka miaramila. Ito andraikitra farany ito dia nampifandraisaina amin’ny fahaizany manandro ka ny tenany no nanankinana ny famolavolana ireo paikady rehetra rehefa hanafika ny tafika ao Imerina. Nisy fotoana koa izy nalefa nanaraka ny printsy RATEFINANAHARY tany Angletera tamin’ny fifampiraharahana teo amin’ny fanjakana Merina sy Anglisy ka nifantoka tamin,’ny fanafoanana ny fanavarinana andevo any ivelan’ny nosy Madagasikara ary koa nanaraka ireo zanak’andriana izay handranto fianarana voalohany tany an-toerana. Ny andraikitra notanany tamin’izany dia mpitan-tsoratra. Noho ny fahalalany ny SORABE dia nisahana ny andraikitra mpampianatra io fomba fanarotana ny TENY MALAGASY tamin’ny alalan’io litera io koa ny tenany ka ny mpanjaka RADAMA I no mpianany tamin’izany vanim-potoana izany.
Ny momba ny tetiarana niavian’i ANDRIAMAHAZONORO no asiako taridresaka farany. Raha any amin’ny arsiva an-tsoratra dia voambara mibaribary fa naka vady andriana andriandranando avy ao Antananarivo ny tenany ka RAFARAVAVY ny anarany izany andriambavy izany. Ny zaza naterak’izy roa minanaka dia i RAHAROLAHY izay nitana toerana roa samihafa tamin’ny andro nanjakan’i RANAVALONA I sy RADAMA II ka governora tao Tamatavy sy Praiministra no andraikitra noraisiny tsirairairay avy tamin’izany vanim-potoana izany.
Raha ny voasoratra any amin’ny arsiva dia vady iray ihany no voarakitra tamin’ny anaran’i ANDRIAMAHAZONORO ka hita soritra tamin’ny alalan’io andriambavy RAFARAVAVY io. Raha araka ny soratra navelan’ireo mpikaroka RAHARIJAONA sy RAVELOSON anefa dia tsy marina ny filazana momba azy izany satria nampiakatra vady faharoa ANDRIAMAHAZONORO ka namelany taranaka koa.
Toy izao ny fitantaran’ireo mpanoratra voatondro ireo ambony ny fizotra izany voambaran-drizareo izany: nisy fotoana nandeha nitsidika ireo fianakaviany any Vohipeno ANDRIAMAHAZONORO ka tany an-toerana no nilazany tamin-drizareo ny faniriany hipetraka tanteraka ao Antananarivo miaraka amin’ny vadiny izay vao nofofoiny. Tsy nankasitraka izany fanampahan-keviny izany ny fianakaviany satria mbola nanjaka teo anivon’ny fiarahamonina nisy an-drizareo ny « FANAMBADIANA EO ANIVON’NY IRAY FIHAVIANA AMIN-DRIZAREO IHANY NA KOA NY LOVA TSY MIFINDRA ». Noho izany antony izany no niangavian-drizareo azy haka vady eo an-toerana ho fofoiny sy hamelany taranaka. Nanaiky izany fangatahan’ny fianakaviany izany ANDRIAMAHAZONORO ka nijanona iray volana tao Vohipeno ka notolorana vady faharoa hamelany taranaka. Rehefa dila ny fetran-dro iray volana dia lasa nody tanteraka tany Antananarivo ny tenany ka tsy niverina tao Vohipeno intsony.
Ilay vady faharoa izay nampiakariny dia niteraka iray taminy ka nampitondrain-drizareo ny anarana RAMAHALEO. Izy no dadabe avy amin’ny reny izay niavian’ireo mpirahalahy ireto dia IMANGARANTO sy ilay katibo ary mpanoratra malaza FERNAND KASANGA.
Ny zaza naterak’ANDRIAMAHAZONORO sy ny andriambavy andriandranando RAFARAVAVY indray kosa dia ilay nantsoina hoe RAHAROLAHY. Ito zanakin-drizareo lahy ito dia nampiakatra vady roa samihafa ka namelany taranaka samihafa avy. Ny vady nampiakariny voalohany dia ny andriambavy RASOANANAHARY izay niteraka vavy tokana ka nitondra ny anarana RAZAFINTAOLO.
Rehefa taty aoriana Izy no nifanambady tamin’ny RAZANAKOMBANA, ministrin’ny lalana tamin’ny andro nanjakan’ny mpanjaka RANAVALONA III. Ry zareo no niteraka an’i JOSEPH RANJEVA. Ito farany moa no niteraka an’i RENE RANJEVA izay raiben’ireo fianakavian’andriambe ao Imerina. Isan’ireny izay tsy zovina amintsika ry RAIMOND RANJEVA, MARCEL RAZANAKOMBANA RANJEVA sns…Farany RASOANANAHARY sy RAHAROLAHY no ray sy reny niteraka ny printsy RASATA.
Ny vady faharoa nampiakarin’i RAHAROLAHY dia ramatoa RASEHENO izay niteraka zazavavy tokana nantsoin-drizareo hoe RASOANORO. Ito zanakin-drizareo vavy ito no niteraka zazavavy tokana koa nitondra ny anarana EVANGELINE RASENDRANORO, tsy misy ifandraisany amin’ilay rahavavin’ny mpanjakavavy RANAVALONA III. Ito EVANGELINE RASENDRANORO ito no nifanambady tamin’ilay mpanoratra ny DATY MALAZA tamin’ny fanjakana andriamanjaka tao Imerina fantatra koa amin’ny anarana PASTERA RABARY. Niteraka lahy tokana ry zareo mitondra ny anarana AIME LOUIS RABARISON.
Ry LOUISA RABARISON izay mipetraka ao amin’ilay trano ao ANKADIVATO mifanila amin’ny fasana misy tranomanara izay nanasitrihana ny masina ANDRIAMAHAZONORO izany dia manana rohim-pihavanana akaiky amin-drizareo ANAKARA any Vatomasina VOHIPENO. Isan’ireny koa ry RANJEVA mianakavy, ry pastera RABARY sy ireo taranany.
RANGERS TSIHALIGNO