DIFFÉRENCE ENTRE DÉVOILEMENT SUR DÉVOILEMENT & FAUSSES ALLÉGATIONS D’AGRESSION SEXUELLE
Midika fa namboraka t@ olona iray ilay zaza fa niharan’ny fanolanana.
Namboraka ilay zaza fa niharan’ny fanolanana.
Nanondro olona iray izy, izay mety tsy nanao ilay tranga mihitsy.
Noho ny antony maro toy ny hambana mahazo azy, na olona akaiky no nanolana ka hatahorany na harovany, … dia notondroany ilay olona.
Efa fotoana maharitra aty aoriana, miova ny teniny ka manondro olona hafa indray izy.
Ary mety mbola hiova aza io olona tondroany io aty aoriana, mandrampanondrony ilay tena nanao fanolanana, na mandrampifohan’ny fitadidian’ny atidohany, tao aorian’ny fampanginan’ny atidohany, na »amnésie post – traumatique », izay mety efa tena ela aty aoriana io, ohatra : efa manambady miteraka izy.
Manondro olona ho nanolana na nampiasa herisetra ara – nofo taminy, ilay zaza, nefa tranga tena tsy nisy ilay izy.
Teny ampiasaina io ho an’ny zaza latsaky ny 18 taona.
Ilay teny hoe »fausses allégations » dia manondro fa toy ny hoe voaholana nefa tsy voaholana.
Na izany aza anefa, dia tsy manakana velively ireo Ray amandreny, manampahefana @ ilay zaza, hametraka fanairana eo @ manampahefana ilay tranga izay mampieritreritra io, mba hisian’ny famotorana akaiky.




Mpanatontsoa : Malagasy Ketamanga




