TSENABEN’NY TANTSAHA AGRIFORAINE

777 0

 Nanomboka ny Alatsinainy 17 Jona teo ary tsy hifarana raha tsy ny Sabotsy 22 Jona 2024 ho avy izao ny « TSENABEN’NY TANTSAHA AGRIFORAINE » ao amin’ny Kaominina Tanambe, Distrika Amparafaravola. Ny ACST na Association de Club Sportive Tanambe moa no mikarakara ity tsenabe ity ary tonga nanokatra izany tamin’ ny fomba ofisialy ny Governoran’ny Faritra Alaotra-Mangoro Dr Guy RAMAROSANDRATANA ny Alakamisy 20 Jona 2024 teo nontronon’ireo manampahefana isa-tsokajiny avy sy olo-manakaja maro sivily sy miaramila.

Saika hita ao amin’Ity tsenabe andiany voalohany ity avokoa ireo fitaovana ilain’ny tantsaha sy etana maro isan-karazany, kilalao samy hafa ary ireo trano heva maneho ny maha izy azy sy ireo vokatra mampiavaka ny Faritra Alaotra Mangoro.

Nangonin’i Lova Janà

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…