FIANARANTSOA – TOMBONY NO AZO NANDRITRA NY 5 TAONA NIARAHANA TAMIN’ NY FANDAHARAN’ASA USAID – ACCESS

364 0
Androany 20 Jona 2024 no natao tao amin’ny « Hôtel Pietra » Fianarantsoa ny lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny « programme USAID ACCESS » , amin’ny Faritra telo aty ahitana ny Faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Mahatsiatra Ambony.
Ny USAID no namatsy vola ny fandaharan’asa ACCESS ,izay manohana ny Ministera amin’ny fanamafisana ny fahasalaman’ny vahoaka Malagasy monina amin’ny Faritra 14. Ho an’ny Faritra telo nifarana androany ity,dia ny fandrindrana fiainam-pianakaviana no notohananymanokana. Ka ny taona 2018 no nanomboka ny « programme » ary nikatona androany 20 Jona 2024 .
Nitarika ny lanonana ny Tale Jeneralin’ny Fisorohana ara-pahasalamana eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka izay notronon’i Solotenan’ ny USAID sy ny Talen’ny ACCESS.
Ny fandaharan’asa no mifarana,fa ny asa dia mitohy hatrany.
Ho an’Amoron’i Mania manokana dia mbola misimisy ihany ny ezaka eo amin’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana satria dia mbola 35% no tratra ny tanjona raha ny taona 2023 teo,raha 28% izany ny taona 2020 .
Tombony nefa no azo satria nahazo fanamafisana fahaiza-manao ireo mpiasan’ny fahasalamana,no nahazo fiofanana ihany koa ireo mpanentana ara-pahasalamana nandritran’izay 5 taona niarahana tamin’ny fandaharan’asa ACCESS -USAID izay.
Nisy ny fanomezana fampitaovana,toy ny solosaina, sns… ho an’ireo distrika , anatin’ny Faritra telo ireo , ho fanampiana azy ireo amin’ny asa sahaniny .
Ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony kosa indray dia vokatra azo tsapain-tanana no
azo. 59,6% ny tahan’ny olona manao ny fandrindrana fiainam-pianakaviana amin’izao fotoana izao. Ezahina ny hitazomana hatrany ny taha io,ary mbola mitohy hatrany ny ezaka na dia lasa aza ny ACCESS.

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲

Posted by - juillet 16, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗶𝘁𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗹𝗮̀𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗶𝘃𝗲𝘇𝗶𝘃𝗲𝘇𝗲𝗻`𝗻𝘆 𝗱𝗮𝗵𝗼𝗹𝗼𝗯𝗲 (𝖬𝖺𝗇𝖺𝗈 𝖾𝗓𝖺𝗄𝖺 𝗇𝗒 𝗄𝖺𝗈𝗆𝗂𝗇𝗂𝗇𝖺 𝗆𝖺𝗇𝖺𝗆𝖻𝗈𝖺𝗍𝗋𝖺 𝗅𝖺𝗅𝖺𝗇𝖺) ✦ Tsy miraviravy tanana ny ben`ny…

𝗧𝗼𝗷𝗼 𝗥𝗔𝗠𝗜𝗟𝗜𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗘𝗡𝗜

Posted by - avril 8, 2026 0
𝗧𝗼𝗷𝗼 𝗥𝗔𝗠𝗜𝗟𝗜𝗔𝗡𝗧𝗔𝗥𝗜𝗡𝗧𝗦𝗢𝗔 𝗜𝗦𝗔𝗡’𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗞𝗔𝗡𝗗𝗜𝗗𝗔 𝗛𝗜𝗦𝗢𝗟𝗢𝗧𝗘𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗚𝗔𝗭𝗘𝗧𝗬 𝗔𝗢 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗘𝗡𝗜 ——– 𝗞𝗮𝗻𝗱𝗶𝗱𝗮 – 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗵𝗶𝘀𝗼𝗹𝗼𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗠𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗚𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗲𝗼…

𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿y

Posted by - décembre 1, 2025 0
FORT-DAUPHIN. HAZOLAVA 𝗡𝗶𝘁𝗿𝗮𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝗶𝗻𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗿𝗮𝘃𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗼 𝗶𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗭𝗮𝗻𝗱𝗮𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗽𝗶𝘃𝗮𝗿𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗺𝗼𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗦𝗲𝗸𝗼𝗹𝗶𝗻-𝗱𝗿𝘆 𝗺𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗧𝗮𝗻𝗮𝗺𝗯𝗮𝗼,…