Dahalo Rain-dahiny antsoina hoe REMENAMASO no Lavon’ny Balan’ny Zandary ao amin’ny Kaominina Akondromena, District MIANDRIVAZO, faritra MENABE (iadidian’ny GN MELAKY) :
Omaly Alina tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nanomboka ny fidiran’ireto dahalo ireto tao amin’ny Fokontany Mahavelo , Poa-basy variraraka no nataon’izy ireo.
Naharitra ora iray iny alina iny ny fifandonana ka tsy nitsahatra izany raha tsy efa tamin’ny iray ora latsaka tany.
Noho ny andro maizina dia niandry mazava vao natao ny famoriana ny omby izany niparitaka noho ny poa-basy ka nandritra izany no nahitana ny fatin’i REMENAMASO, dahalo rain-dahiny mpanafika manerana ny faritra MELAKY ity, voatetiny avokoa ireo distrika dimy anaovany fanafihana.
Tsy lavitra akory ny toerana nahavoatifitra azy dia nitolefika i REMENAMASO ka tavela teo aminy ny basy AKM Kalachnikov iray, NR 53 25 18 sy bala 7,62 lot: 711-78 miisa 15 (mirehitra).
I REMENAMASO dia avy ao Marotahalaky kaominina ambanivohitra SOALOKA izay disitrikan’ny Miandrivazo ihany.
Nentina eny Akondromena ny fatin’i REMENAMASO mba ho hitan’ny vahoaka any sy mba hialana amin’ny valifaty mety hahazo ny fokontany MAHAVELO izay nahafatesany.
Natevenina ny mpitandro filaminana manao ny fiambenana eny an-toerana .
hotohin’ny vehivavy rehetra maneran-tany dia mankalaza ny andron’ny vehivavy ireo vehivavy ato amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ambatolahy ato amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo.…
Nirehitra ny toeram-pitrandrahana Vato « Spectrolyte na pierre de lune » ao amin’ny Fokontany Antsomangana, Kaominina Ambanivohitra Bemaitso, Distrikan’Andilamena ny Alatsinainy 23…