District MIANDRIVAZO | Dahalo Rain-dahiny antsoina hoe REMENAMASO no Lavon’ny Balan’ny Zandary

637 0
🟥Dahalo Rain-dahiny antsoina hoe REMENAMASO no Lavon’ny Balan’ny Zandary ao amin’ny Kaominina Akondromena, District MIANDRIVAZO, faritra MENABE (iadidian’ny GN MELAKY) :
✅Omaly Alina tokony ho tamin’ny 11 ora teo no nanomboka ny fidiran’ireto dahalo ireto tao amin’ny Fokontany Mahavelo , Poa-basy variraraka no nataon’izy ireo.
Naharitra ora iray iny alina iny ny fifandonana ka tsy nitsahatra izany raha tsy efa tamin’ny iray ora latsaka tany.
✅Noho ny andro maizina dia niandry mazava vao natao ny famoriana ny omby izany niparitaka noho ny poa-basy ka nandritra izany no nahitana ny fatin’i REMENAMASO, dahalo rain-dahiny mpanafika manerana ny faritra MELAKY ity, voatetiny avokoa ireo distrika dimy anaovany fanafihana.
✅Tsy lavitra akory ny toerana nahavoatifitra azy dia nitolefika i REMENAMASO ka tavela teo aminy ny basy AKM Kalachnikov iray, NR 53 25 18 sy bala 7,62 lot: 711-78 miisa 15 (mirehitra).
✅I REMENAMASO dia avy ao Marotahalaky kaominina ambanivohitra SOALOKA izay disitrikan’ny Miandrivazo ihany.
✅Nentina eny Akondromena ny fatin’i REMENAMASO mba ho hitan’ny vahoaka any sy mba hialana amin’ny valifaty mety hahazo ny fokontany MAHAVELO izay nahafatesany.
✅Natevenina ny mpitandro filaminana manao ny fiambenana eny an-toerana .
✅Momba ilay tranga voalohany kosa, fikasana hangalatr’omby tsy tanteraka iny alina tao Akondromena, dia misy dahalo roa baben’olona efatra mitondra basim-borona roa hitan’olona nandeha mankany BETSIPOLOTRA, kaominina ambanivohitra ao ihany disitrikan’ny MIANDRIVAZO, androany maraina tokony tamin’ny 06 ora. Efa niainga ny mpanara-dia azy ireo.

Related Post

Ady amin’ny famarinan’olombelona sy asa an-tery mifandraika amin’ny fanandevozana

Posted by - novembre 5, 2025 0
𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐑𝐀𝐑𝐀𝐎𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐄𝐑𝐀-𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐋𝐀𝐆𝐀𝐒𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐍-𝐓𝐄𝐑𝐈𝐕𝐎𝐙𝐎𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐂𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐆𝐄 : 𝐋𝐄𝐇𝐈𝐋𝐀𝐇𝐘 𝐈𝐑𝐀𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐒𝐀𝐌𝐁𝐎𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐏𝐎𝐋𝐈𝐒𝐈𝐌𝐏𝐈𝐑𝐄𝐍𝐄𝐍𝐀 𝐀𝐑𝐘 𝐄𝐅𝐀 𝐍𝐈𝐃𝐎𝐁𝐎𝐊𝐀 𝐀𝐌-𝐏𝐎𝐍𝐉𝐀. Ady…