TETIK’ASA HIAKA | NISY FIFOFANANA NOMENA AN’IREO VEHIVAVY TANTSAHA

375 0

Nanampanao fiofanana hoan’ny vehivavy tantsaha izay naharitra hadimiana,  natomboka ny Zoma 14 Jona ka tsy nifarana raha tsy ny Talata 18 Jona ny e-tafo. Fiofanana izay natao tetsy amin’ny amin’ny Centre Ivato Soa, etsy Ambatomainty, ao amin’ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, Antananarivo

Fikambanam-behivavy misehatra amin’ny tontolo Ambanivohitra,  avy amin’ny faritra 8 no mpandray anjara, ahitana an’Analamanga, Itasy, Haute Matsiatra, Vatovavy, Atsimo Atsinanana, Atsimo Andrefana, Menabe ary Diana. 30 mirahavavy no isan’izy ireo

Ny zon’olombelona sy ny fiovaovan’ny toetr’andro no lohahevitra nodinihina nandritra ireo dimy andro niofanana ireo mba hanamafisana kokoa ny fahaiza-manaony.

Ny tanjonan’ny fiofanana dia ny hahafahan’izy ireo mitondra hetahetany  amin’ny sehatra tandrify izany eto anivon’ny Firenena Malagasy , manoloana ireo fanamby maro atrehan’izy ireo, toy ny fanavakavahana sy ny tsy fisoloan-tena azy ireo eo amin’ny toerana mpandray fanapahan-kevitra ka hitondra anjara biriky lehibe amin’ny ady amin’ny fitovian-jo ho an’ny vehivavy any ambanivohitra manoloana ny fiovan’ny toetr’andro.

Tiana ny manamarika fa haharitra 20 volana ity tetikasa ity ary hifarana ny volana desambra 2025.

Fa raha hiverenana kely ny mahakasika ity fiofanana dia dia ny  fikambanana e-TAFO (TAntsoroka ho Fampandrosoana ny mahaOlona) no tompon-kevitra sy nampanao fiofanana , amin’ny alalan’ny tetikasa HIAKA raha ny  sampandraharaha Frantsay momba ny fampandrosoana (AFD) sy ny CCFD-Terre Solidaire kosa nanao tantsoraka tamin’ny fanampiana ara-bola sy aram-pitaovana.

Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚.

Posted by - mars 19, 2026 0
𝐌𝐚𝐞𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐚̀𝐧𝐚: 𝐍𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐤𝐚 𝐟𝐢𝐯𝐨𝐚𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐦𝐛𝐚 𝐚𝐡𝐚𝐳𝐨𝐚𝐧𝐚 𝐯𝐨𝐤𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐳𝐨 𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐢-𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐥𝐚𝐟𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐥𝐞𝐦𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐦𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝐧𝐲 𝐎𝐌𝐂 𝐑𝐄𝐆 𝐁𝐞𝐭𝐬𝐢𝐛𝐨𝐤𝐚. Tao amin’ny…