TOAMASINA : Tontosa ny sabotsy teo ny hetsika goavana  » Beach Clean up Day « 

420 0
Niara nisalahy t@ fanadiovana ny sisin’ny ranomasina ireo fikambanana sy mpiasam-panjakàna ary ireo manam-pahefana.
Hetsika izay tafiditra tamin’ny andro maneran-tany ho an’ny ranomasina ,ka nanamafisana ny fanentanana ny rehetra mba tsy hanary fako amorond-ranomasina sy ao anaty ranomasina.
 » Tsy amin’ny hetsika tahaka izao ihany no anadiovana ny sisin’ny ranomasina, fa tokony isanandro dia mahatsapa tena ny tsirairay mba tsy handoto ny sisin’ny ranomasina sy tsy hanary fako indrindra fa ireo fako plastika manodidina sy anatin’ny ranomasina » hoy ny Talem-paritry ny Jono sy ny toe-karena manga Antsinanana,Atoa Raharimandimby Simon .
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐇𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐧𝐚 𝐟𝐞𝐩𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐡𝐞𝐧𝐭𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐳𝐚𝐧𝐝𝐚𝐫𝐲 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐟𝐢𝐡𝐨𝐚𝐫𝐚𝐦-𝐩𝐞𝐟𝐲, 𝐡𝐨𝐲 𝐧𝐲 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐲 𝐑𝐚𝐤𝐨𝐭𝐨𝐦𝐚𝐥𝐚𝐥𝐚

Posted by - octobre 11, 2025 0
Antananarivo — Nanao fanambarana manokana ireo manamboninahitra ambony mitana ny fibaikoana ny Zandarimariam-pirenena, tarihin’ny Komandin’ny Zandarimariam-pirenena, Jeneraly Jean Herbert Rakotomalala,…