FLM PORT-BERGE | TAFAPETRAKA AMIN’NY MAHA MPITONDRA FILEOVANA AZY I PASTORA GILDAS

392 0
FLM PORT-BERGE | TAFAPETRAKA AMIN’NY MAHA MPITONDRA FILEOVANA AZY I PASTORA GILDAS BERNADET IZAY ZANAKY NY FIANGONANA. NANOLOTRA AZY NY FILOHAN’NY SP SOFIA VAOVAO.
Tamin’ny fivorian’ny komintin’ny Synondam-paritany Sofia XVII ny volana Aprily teo no nahavoafidy an’ny Pastora GILDAS Bernadet ho Mpitondra Fileovana Boriziny eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Port-Bergé ao anaty taom-pitondrana 2024-2028. Ny 26 Mey no nahazoan’ireo Pastora rehetra ato amin’ny SP Sofia ny taratasy fanamafisana ny fitazoman’izy ireo ny toerany vaovao.
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Fiangonana FLM Toby Fiadanana Ankorovaka Port-Bergé androany alahady 02 Jona 2024 ny fanolorana an’ny Pastora Gildas Bernadet mivady tamin’ireo Kristiana. Fifaliana lehibe no nandraisana azy satria zanak’io Fiangonana, izany hoe notezaina tao izy roa mivady ireto fony fahatanorany.
Efa nitondra Fitandremana 3 sy Fileovana iray ary Fiangonana iray i Pastora Gildas tao anaty 15 taona nahaPastora azy. Fileovana faharoa hiandraiketany ny Fileovana Port-Bergé raha teo amin’ny tantarany. Tonga nanolotra azy tamin’ny fotoam-pivavahana androany maraina ny Filohan’ny Synodam-Paritany Sofia 2024-2028 dia Pastora Eugène Bernard.
Vonona hihaino ny rehetra ho fampadehan-draharaha ara-piangonana izy roa mivady, araka ny voalazany. Niantso ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny asan’ Andriamanitra ary farany nanambara ireo fihetsika voararan’ny Santa Loterana ny tenany.
📝 Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
« 𝐻𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑖𝑧𝑎𝑦 ℎ𝑎ℎ𝑎 𝐹𝐾𝑇 𝑀𝑝𝑖𝑡𝑎𝑟𝑖𝑑𝑖𝑎 ( 𝐹𝐾𝑇 𝑃𝑖𝑙𝑜𝑡𝑒) 𝑛𝑦 𝐹𝑜𝑘𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎𝑘𝑜 𝑎ℎ𝑜, 𝑠𝑎𝑡𝑟𝑖𝑎 𝑡𝑒𝑡𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑜 𝑛𝑎ℎ𝑎𝑙𝑎𝑡𝑠𝑎ℎ𝑎𝑛’𝑛𝑦 𝑡𝑎𝑣𝑜𝑛𝑖𝑘𝑜, 𝑘𝑎…