FLM PORT-BERGE | TAFAPETRAKA AMIN’NY MAHA MPITONDRA FILEOVANA AZY I PASTORA GILDAS

197 0
FLM PORT-BERGE | TAFAPETRAKA AMIN’NY MAHA MPITONDRA FILEOVANA AZY I PASTORA GILDAS BERNADET IZAY ZANAKY NY FIANGONANA. NANOLOTRA AZY NY FILOHAN’NY SP SOFIA VAOVAO.
Tamin’ny fivorian’ny komintin’ny Synondam-paritany Sofia XVII ny volana Aprily teo no nahavoafidy an’ny Pastora GILDAS Bernadet ho Mpitondra Fileovana Boriziny eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) Port-Bergé ao anaty taom-pitondrana 2024-2028. Ny 26 Mey no nahazoan’ireo Pastora rehetra ato amin’ny SP Sofia ny taratasy fanamafisana ny fitazoman’izy ireo ny toerany vaovao.
Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Fiangonana FLM Toby Fiadanana Ankorovaka Port-Bergé androany alahady 02 Jona 2024 ny fanolorana an’ny Pastora Gildas Bernadet mivady tamin’ireo Kristiana. Fifaliana lehibe no nandraisana azy satria zanak’io Fiangonana, izany hoe notezaina tao izy roa mivady ireto fony fahatanorany.
Efa nitondra Fitandremana 3 sy Fileovana iray ary Fiangonana iray i Pastora Gildas tao anaty 15 taona nahaPastora azy. Fileovana faharoa hiandraiketany ny Fileovana Port-Bergé raha teo amin’ny tantarany. Tonga nanolotra azy tamin’ny fotoam-pivavahana androany maraina ny Filohan’ny Synodam-Paritany Sofia 2024-2028 dia Pastora Eugène Bernard.
Vonona hihaino ny rehetra ho fampadehan-draharaha ara-piangonana izy roa mivady, araka ny voalazany. Niantso ny fiaraha-mientana ho fanatsarana ny asan’ Andriamanitra ary farany nanambara ireo fihetsika voararan’ny Santa Loterana ny tenany.
📝 Nangonin’i Gabin Eloi.

Related Post

Amparafaravola, nitrangana Kidnaping

Posted by - juin 5, 2024 0
𝐋𝐀𝐇𝐈𝐋𝐀𝐋𝐘 𝐑𝐎𝐀 𝐋𝐀𝐒𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐎 𝐊𝐈𝐃𝐍𝐀𝐏𝐏𝐈𝐍𝐆 𝐓𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐊𝐀𝐎𝐌𝐈𝐍𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐎𝐃𝐈𝐑𝐀𝐍𝐎/𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐀𝐌𝐏𝐀𝐑𝐀𝐅𝐀𝐑𝐀𝐕𝐎𝐋𝐀 Ny alin’ny Talata 04 Jona 2024 tokony ho tamin’ny sivy ora…