TOAMASINA : Taorian’ny fampahafantarana ny tolo-barotra mahakasika ny fanamboarana ny lalana mirefy 670 metatra,miala eo amin,ny Maison de rétraite makany amin’ny Hôpitaly be,dia nidina ifotony teny antoerana ny Ben’ny Tanana Rakotonirina Nantenaina sy ireo Tekanisianina eo anivon’ny Commune Urbaine de Toamasina, niaraka tamin’ny Solotenan’ny PIC3, Faritra Atsinanana ary ny Solotenan’ireo orin’asa te handray anjara amin’ilay tolo-barotra.
Hanomboka tsy ho ela arak’izany ny asa,ka tokony hanaraka ny lamina apetraka ny tsirairay mba ho tombotsoan’ny besinimaro hoy i Atoa Ben’ny Tananan’ny Toamasina androany.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy