Fandraharahana : mpandraharaha maro no havondrona mandritra ny CEO Business Forum

273 0

« Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy mpandraharaha sy ny avy any ivelany, eo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra. Tafi¬ditra ao anatin’izany ny hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto amintsika », hoy ny Tale jeneralin’ny Gate Company, Rojo ANDRIANASOLO, raha nanontaniana mahakasika indrindra ny CEO Business Forum izay notanterahina tetsy amin’ny CCI Ivato ny faha 14-15 Mai lasa teo.

Fa raha hiverenana ny zava-misy, dia nisy ny fampiantsoana Mpanao Gazety izay nataon’ny Gate Company nampahafantatra indrindra ny hetsika CEO Business Forum, ka karazana sokajin’asa maro, sy solon-tenan’ny Ministera maro no tonga nanoina sy nanatrika izany.

Fantatra fa ny CEO Business Forum dia fampivondronana Mpandraharaha maro, izay samy manana ny traikefa hananany amin’ny fampandrosoana, ka niompana tamin’izany izany indrindra ny famelabelarana natao.

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatra tsy miankina, anjaran’ny minisitera kosa ny mitady ny politika fanatanterahana izany, araka ny fanazavana voaray. « Hisy ny lohahevitra hovelabelarina hiaraha amin’ireo minisitera samihafa mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ireo laharam-pahamehana sy mila resahina eto amin’ny ranomasimbe Indianina », hoy hatrany ny talen’ny CEO, Rojo ANDRIANASOLO, Ilaina, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika mba hahafan’ireo mpandraharaha mivelatra sy mamantatra ireo rafitra azo trandrahina eto Madagasikara.

Tiana ny manamarika, fa ny volana Novambra 2024 ho avy izao no hotanterahina ity CEO Business Forum ity

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…