Fandraharahana : mpandraharaha maro no havondrona mandritra ny CEO Business Forum

153 0

« Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasan’ireo Malagasy mpandraharaha sy ny avy any ivelany, eo koa ny fifanakalozana eo amin’ireo mpisehatra ara-toekarena rehetra. Tafi¬ditra ao anatin’izany ny hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny hampiasa ny volany eto amintsika », hoy ny Tale jeneralin’ny Gate Company, Rojo ANDRIANASOLO, raha nanontaniana mahakasika indrindra ny CEO Business Forum izay notanterahina tetsy amin’ny CCI Ivato ny faha 14-15 Mai lasa teo.

Fa raha hiverenana ny zava-misy, dia nisy ny fampiantsoana Mpanao Gazety izay nataon’ny Gate Company nampahafantatra indrindra ny hetsika CEO Business Forum, ka karazana sokajin’asa maro, sy solon-tenan’ny Ministera maro no tonga nanoina sy nanatrika izany.

Fantatra fa ny CEO Business Forum dia fampivondronana Mpandraharaha maro, izay samy manana ny traikefa hananany amin’ny fampandrosoana, ka niompana tamin’izany izany indrindra ny famelabelarana natao.

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny sehatra tsy miankina, anjaran’ny minisitera kosa ny mitady ny politika fanatanterahana izany, araka ny fanazavana voaray. « Hisy ny lohahevitra hovelabelarina hiaraha amin’ireo minisitera samihafa mandritra ny hetsika. Ao anatin’izany ireo laharam-pahamehana sy mila resahina eto amin’ny ranomasimbe Indianina », hoy hatrany ny talen’ny CEO, Rojo ANDRIANASOLO, Ilaina, araka izany, ny fandraisana anjara amin’ny hetsika mba hahafan’ireo mpandraharaha mivelatra sy mamantatra ireo rafitra azo trandrahina eto Madagasikara.

Tiana ny manamarika, fa ny volana Novambra 2024 ho avy izao no hotanterahina ity CEO Business Forum ity

Nangonin’Lay Mahintsy

Related Post

𝗟𝗬𝗖𝗘𝗘 𝗣𝗢𝗟𝗘 𝗠𝗢𝗥𝗢𝗡𝗗𝗔𝗩𝗔 𝗛𝗔𝗥𝗘𝗡𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗘𝗙𝗙𝗜 𝗦𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗜𝗡𝗧𝗜𝗠𝗢𝗟𝗔𝗟𝗬

Posted by - septembre 9, 2024 0
𝑨𝒓𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒅𝒊𝒅𝒊𝒎-𝒑𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒉𝒂𝒓𝒂𝒏𝒂 2024-068 𝒕𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 23 𝑱𝒂𝒏𝒐𝒂𝒓𝒚 2024 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒎𝒊𝒕𝒂𝒌𝒚 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒏𝒂𝒗𝒂𝒐𝒛𝒂𝒏𝒂 𝒏𝒚 𝑭𝑬𝑭𝑭𝑰 𝒆𝒏𝒚 𝒂𝒎𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝑬𝑷𝑷 𝒔𝒚 𝑪𝑬𝑮…

RAHARAHA FANAPOHANA SOLIKA

Posted by - octobre 22, 2024 0
Olona 24 tompon’antoka no voasambotry ny sampana fikarohana heloka bevava eo anivon’ny zandarimariam_pirenenana taorian’ny fidinana ifotony natao tamina tokatrano 10…