𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – π€π§πšπ­π«πš 𝐦𝐒𝐟𝐨𝐧𝐨 𝐟𝐒𝐟𝐞𝐑𝐞𝐳𝐚𝐧-𝐭𝐞𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚π₯𝐚π₯𝐚𝐧`𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐭𝐨𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐯𝐚𝐯𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐨 𝐧𝐚𝐦𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐄𝐒𝐝 𝐄π₯ 𝐅𝐒𝐭𝐫

269 0
✦Fotoan-dehibe ho an`ny mpino Silamo manerantany ny 𝐄𝐒𝐝 𝐄π₯ 𝐅𝐒𝐭𝐫 na π…πšπ¦πšπ‘πšπ§πš. Anatra mibahana amin`ny fifehezan-tena no nampitaina tamin`ny mpino androany alarobia 10 aprily 2024, teny amin`ny Coup de Coeur Ampitatsimo. Nifamotoana tamin`ny toerana ity ireo mpino silamo maraina teo.
β€’Ankoatra hetsika izao, hanasa mpitondra fanjakana sy sokajin`olona maro ny Mpino silamo eto Mandritsara ho fanamarihana famaranana ny iray volan`ny Ramadan izao. Fahasoavana ho azy ireo ny nahavitana dingana nandritra fotoana lavalava izay satria fanehoana voninahitra an`Allah na Andriamanitra izany, hoy ny mpitariky ny Mpino.
Fizarana sakafo maivana no namaranana ny teny Ampitantsimo, lanonana iarahana amin`ny solontenam-panjakana no mamarana ny hetsika.
 
Nangonin`i Claudio

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - dΓ©cembre 22, 2023 0
π€ππŠπˆπ‹πˆπ•π€π‹πŽ, πŒπ€π‡π€ππŽ πŒππ€ππ†π€π‹π€π‰A𝐙𝐀 πŸ‘ 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 πŠπ€ πŒπ€π“π˜ π•πŽπ€π“πˆπ…πˆπ“π‘π€ 𝐍𝐘 π‘πŽπ€ — πŸ“Œ Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…