Ho fanamarihana hatrany ny andron’ny Zandarimariam-pirenena dia nisy ny famelabelarana narahina adi-hevitra izay natao tetsy amin’ny Kianjan’ny Barea androany, tolak’andro, ka nanasana manokana an’i Ramatoa Filohan’ny Holafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasika, Ramatoa ๐น๐จ๐บ๐ถ๐ณ๐ถ๐จ๐น๐ฐ๐บ๐ถ๐ต ๐ด๐๐๐๐๐, tonga niaraka taminy nanatrika ity fanasana ity i Nyh Gabriel ANDRIAMITANTSOA, izay sady WebAdmin OJM ary Mpitantana ny Gazety an’habaka FEONYDEMOKRASIA.MG.
Lohahevitra maromaro no noresahina tamin’izany, toy ny
– Heloka an’habaka
– Fakana ankeriny
– Kolikoly, sy maro tsy voatanisa etoana.
Fa anisanโny loha-hevitra tena nandrasanโny be sy ny maro ilay teboka voalohany ยซ HELOKA ANโHABAKA ยป izay hiara-mahalala manoloana ny fihazakazaky ny teknolojia ampiasaina ankehitriny, koa maro aminโny tanora no mety tsy mahalala hoe heloka izay hatao izay, andaniny koa niandry fatratra ny fanazavana feno mahakasika azy ity ny Mpanao Gazety maro, indrindra fa ireo nentanina manokana hanaraka teo anivonโny Tambazotra, fa saingy somary nandiso fanantenana kely ihany ny fanazavana mahakasika izany.
Mety tany aminโny fahaterenโny fotoana (angamba) no olana. Irariana ny hitondranโieo Mpitandro filaminana fanazavana mahakasika azy io any aoriana, fa tena ilaina mihintsy ny hahalanโny daholobe anโizany ยซ heloka anโhabaka izany ยป.
Fantatra nandritra ny famelabelarana fa misy tokoa ny fifandraisana tsara rindra eo aminโny Mpanao Gazety sy ny Zandary, na dia misy aza ny indro kely araka ny fanazavana noentinโi Ramatoa Filohanโny OJM, fa tongo-tapaka, vilany mitongilana iny, ka isika mianakavy no samy manarina azy.
Tsampa koa anefa ny hasarotry ny asanโireo Zandary, indrindra fa ireo misahana ny Serasera manoloana ny famoaham-baovao marolafy ankehitriny, kanefa na izany aza, dia hita ho naneho fahavononana hatrany hisetra ny firiotry ny Teknolojia ankehitriny izy ireo.
Tiana ny milaza fa nandeha nivanatana taminโny Takelaka :
– InfoCom GN
– Ordre des Journaliste Malagasy
– Feonydemokrasia, iny famelabelarana narahina adi-hevitra iny