Androany dia nihaona tamin’ny Governoran’ny Faritra Atsinanana Atoa Rafidison Richard Theodore,ny Solotenan’ny Fikambanana FITEA TO. ( Fikambanan’ny Terak’i Androy eto Toamasina).
Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay. Ny FITEATO dia nisaotra ny Governoran’ny Faritra Atsinanana nohon’ny zava-bita sy fiaraha-miasa nandritra izay efatra taona izay.
Ray amand-Reny tsy mba manavakavaka ny Governoran’ny Faritra Atsinanana,ary manaporofo izany ny fisian’ny Zanaky ny Faritra Androy miara-miasa aminy.
Ho fanomezam-boninahitra azy dia nomena satroka sy lefona ary salampy ary gisa Atoa Governoran’ny Faritra Atsinanana.