Nitsidika ny Centre de Formation Professionnelle tao Tsivory ny Governoran’ny Faritra Anôsy

175 0
AMBOASARY SUD (TSIVORY).
 
Nitsidika ny Centre de Formation Professionnelle tao Tsivory ny Governoran’ny Faritra Anôsy, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, izay notronin’ireo manampahefana maro izay nahitana ny Talem-paritrin’ny Fampianarana Teknika sy Fiofanana arak’asa Anôsy, Kardas Senèque Zandritsivery, ny Lefitrin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, ny Ben’ny tananan’ny Tsivory, ny lehiben’ny tetik’asa ny PNUD eto Anôsy, sns, ny alakamisy 28 marsa 2024 lasa teo.
 
Ho fanomezana Rano fisotro madio an’ireo mpianatra ao amin’ny Ivotoera sy ho fanondrahana ny tanimboly sy taniketra-janakazo izay hanaovan’ireo mpianatra fampiharana, dia nanolotra fatsakana lalina na « puits » manara-penitra ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).
Marihina fa lalam-piofanana telo (3) no misy io amin’ny CFP Tsivory io, dia ny BTP na « Bâtiment et Travaux Publics, ny Fambolena ary ny Fiompiana, izay atao ao anaty 3 taona. Tanora manana CEPE ka nahavita ny kilasy faha 5 (na 5ème) ary afaka tamin’ny fifaninanana hidirana amin’ny fiofanana hahazahoana ny CAP (Certificat d’Aptitude Professionnel) no afaka miditra ao.
 
Afaka mandray ireo mpianatra mipetraka amin’ireo kaominina lavitra manodidina ny Tsivory ny ivotoerana nohon’ny fananany trano fianarana misy mpianatra mandry na « Internat ».
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny andry voalohany amin’ity fitondram-panjakana ankehitriny ity ny fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa satria dia mandray anjara lehibe amin’ny fanatsarana ny lafiny maha olona na « capital Humain ». Noho izany, mitazona andraikitra lehibe ny ivotoeram-piofanana arak’asa mitovy amin’ny eto Tsivory ka rariny sy hitsiny ny fanohanana azy.
 
Arrone Kennedy.

Related Post

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…