Nitsidika ny Centre de Formation Professionnelle tao Tsivory ny Governoran’ny Faritra Anôsy

425 0
AMBOASARY SUD (TSIVORY).
 
Nitsidika ny Centre de Formation Professionnelle tao Tsivory ny Governoran’ny Faritra Anôsy, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA, izay notronin’ireo manampahefana maro izay nahitana ny Talem-paritrin’ny Fampianarana Teknika sy Fiofanana arak’asa Anôsy, Kardas Senèque Zandritsivery, ny Lefitrin’ny Distrikan’ny Amboasary Atsimo, ny Ben’ny tananan’ny Tsivory, ny lehiben’ny tetik’asa ny PNUD eto Anôsy, sns, ny alakamisy 28 marsa 2024 lasa teo.
 
Ho fanomezana Rano fisotro madio an’ireo mpianatra ao amin’ny Ivotoera sy ho fanondrahana ny tanimboly sy taniketra-janakazo izay hanaovan’ireo mpianatra fampiharana, dia nanolotra fatsakana lalina na « puits » manara-penitra ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD).
Marihina fa lalam-piofanana telo (3) no misy io amin’ny CFP Tsivory io, dia ny BTP na « Bâtiment et Travaux Publics, ny Fambolena ary ny Fiompiana, izay atao ao anaty 3 taona. Tanora manana CEPE ka nahavita ny kilasy faha 5 (na 5ème) ary afaka tamin’ny fifaninanana hidirana amin’ny fiofanana hahazahoana ny CAP (Certificat d’Aptitude Professionnel) no afaka miditra ao.
 
Afaka mandray ireo mpianatra mipetraka amin’ireo kaominina lavitra manodidina ny Tsivory ny ivotoerana nohon’ny fananany trano fianarana misy mpianatra mandry na « Internat ».
Marihina fa tafiditra ao anatin’ny andry voalohany amin’ity fitondram-panjakana ankehitriny ity ny fampianarana teknika sy fiofanana arak’asa satria dia mandray anjara lehibe amin’ny fanatsarana ny lafiny maha olona na « capital Humain ». Noho izany, mitazona andraikitra lehibe ny ivotoeram-piofanana arak’asa mitovy amin’ny eto Tsivory ka rariny sy hitsiny ny fanohanana azy.
 
Arrone Kennedy.

Related Post

𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍

Posted by - mars 4, 2024 0
𝐃𝐈𝐒𝐓𝐑𝐈𝐊𝐀𝐍’𝐈 𝐒𝐎𝐀𝐍𝐈𝐄𝐑𝐀𝐍𝐀-𝐈𝐕𝐎𝐍𝐆𝐎 𝐅𝐄𝐒𝐓𝐈𝐕𝐀𝐋 𝐃𝐄 𝐋𝐀 𝐁𝐈𝐎𝐃𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄́ 𝟖𝐄𝐌𝐄 𝐄́𝐃𝐈𝐓𝐈𝐎𝐍 : 𝐍𝐈𝐇𝐄𝐍𝐀 𝟕% 𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐇𝐀𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐇𝐀𝐙𝐎.   95 % ny fampidirambolany…