FANTATRAREO VE FA I DADA SY I NENY, NY VADY, NY MPIRAY TAMPOHA, NY HAVANA AKAIKY, … NO MIROTSAKA MANERA VODY AMIN ´IZAO FOTOANA IZAO ?
 
😮 Antony iray mahatonga antsika ho tafiditra anatin’ny sokajy faharoa arahi – maso, na ´´catégorie 2 avec surveillance ´´, @ tatitra manerantany, ataon ‘ny États – Unis isantaona io.
😮 Isika havana sy namana akaiky mihitsy no mitrandraka sy mivarotrolona, @ alalan’ny famarinana olona mankany @ fanandevozana moderina, na  »traite de personnes par l’exploitation sexuelle », ary manjifa ny vola azon’ilay zanaka, na vady, avy @ fivarotatena.
😮 Voafaritra ao @ lalàna io
🇲🇬 Référence Juridique : Article 334 du Code Pénal.
😮 Mbola hejehina koa ao @ Lalàna 2014 – 040 t@ 15 janoary 2015, ary tafiditra ao @ ´´Plan national pour la lutte contre la traite des êtres humains II ´´.
😮 Anisan’ny antony mampandrongatra sy mampiakatra ny isan’ny iharan’io fitrandrahana olona @ fampivarotatena sy fanerana vody io manerantany, isika havana akaiky mpamporisika, mpanelanelana, mpanjifa ny azo.
😮 Izay ihany koa no mahatonga ny famarinan’olona ho andevo, hitana ny laharana fahatelo, ao aorian’ny varotra fitaovampiadiana sy zavamahadomelina.
😮 Farany, fantaro fa asa faran’izay ratsy tsy azon’ny ankizy latsaky ny 18 taona hatao ny fivarotatena, ary mafy kokoa ny sazy ho an’ireo mampanao azy izany.
 
✋✋✋ Ndao resena io, fa NY OLONA TSY ENTAMBAROTRA !🙏
✋✋✋✋✋✋✋✋✋✋✋✋✋✋
 
🇲🇬 𝗣𝗥𝗢𝗫𝗘𝗡𝗘𝗧𝗜𝗦𝗠𝗘 (Manera olona ho amin’ny fijangajangana)
✅ Ny atao hoe « proxénétisme » dia ny fitadiavana tombony avy amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa.
❌𝗜𝗻𝗼𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗻𝗼 𝗮𝘇𝗼 𝘀𝗼𝗸𝗮𝗷𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗽𝗿𝗼𝘅é𝗻é𝘁𝗶𝘀𝗺𝗲 ?
👉🏽 Ny fanampiana na fiarovana ny fivarotan-tenan’ny hafa ;
👉🏽 Ny manakarama, mampiofana, na manery olona hivaro-tena na hanohy hivaro-tena ;
👉🏽 Ny fakana tombony amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa ;
👉🏽 Ny fanelanelana eo amin’ilay olona mivaro-tena sy ilay olona manararaotra na manakarama ho amin’ny fivarotan-tenan’ny hafa.
👉🏽 Ny fanampiana mpanera ho amin’ny fijangajangana (proxénète) hanaporofo loharanon-karena foronina.
👉🏽 Ny fiaraha-miaina amin’ny olona mivaro-tena kanefa tsy mahavita manaporofo loharanon-karena hafa ahafahany manambara fa mamelon-tena irery izy.
 
❌𝗡𝘆 𝘀𝗮𝘇𝘆 𝗺𝗲𝘁𝘆 𝗵𝗶𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮 :
👉🏽 Sazy an-tranomaizina roa taona ka hatramin’ny dimy taona ary lamandy 1.000.000 Ariary hatramin’ny 10.000.000 Ariary (article 334 du Code pénal).
Pejy : Ndao hahay Lalàna ⚖
 
Mpanatontosa : Malagasy Ketamanga