RFD2 FANAVOTANA AMBOHITSOA | NANAO ASA FANADIOVANA

216 0
Nanatanteraka asa fanadiovana teny Ambohintsoa, ao anatin’ny Boriboritany faha2 ny RFD Fanavotanana, niaraka tamin’ireo ekipan’ny CMH ao amin’ny Kaominina Ambonivohitra Antananarivo androany.
 
Fantatra nandritra ity fanadiovana ity fa efa fanaon’ny RF2 Fanavotana izao hetsika izao ka isaky ny Sabotsy faharoan’ny volana no hanatanterahana izany, fa kosa niavaka kely ny anio, nohon’ilay hetsika fanentanana antsoina hoe  » fanadiovana 100 andro » tanterahin’ny CMH Commune Urbaine Antananarivo.
 
Tiana ny manamarika fa ity farany no niantoka ny fampitaovana nampiasana nandritra ity asa fanadiovana ity, izay nanamarihan’ny Mpitantana fa sady fanentanana ity no fanadiovana, fa aoriana kosa dia hiroso amin’ny fanasaziana avy hatrany ny Kaominiana hoan’ireo olona minia mikipy amin’ny fanaovana maloto sy fanariana ny fako avy nampiasainy eny rehetra eny.
 
Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…