๐…๐€๐Œ๐Ž๐Š๐€๐‘๐€๐๐€ ๐„๐๐˜ ๐€๐๐ˆ๐•๐Ž๐’๐๐˜ ๐…๐Ž๐๐‰๐€ : ๐’๐€๐Š๐€๐…๐Ž ๐Œ๐€๐‘๐Ž ๐Š๐€๐‘๐€๐™๐€๐๐€ ๐๐Ž ๐•๐Ž๐‹๐„๐๐€. ๐๐ˆ๐‰๐„๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐ƒ๐‘๐Ž๐’๐Ž๐’๐๐˜ ๐€๐’๐€ ๐๐˜ ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐“๐’๐€๐‘๐€๐๐€ ๐‘๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐๐€๐๐“๐„๐๐€๐’๐Ž๐€ ๐‹๐€๐๐ƒ๐˜ ๐Œ๐๐Ž๐‹๐€๐“๐ˆ๐€๐๐€.

71 0
๐Ÿ“ŒZoma , 01 Marsa 2024 sy Sabotsy, faha- 02 Marsa 2024.
Nijery ny fivoaran’ny asa teo anivon’ny Toby famokaran’ny Voafonja ย ยป Camp Pรฉnalย ยป Moramanga sy Vatomandry ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
โ˜‘๏ธNamokatra ny Voafonja ary tratra ny tanjona napetraka satria nasahana ny sakafon’ny Voafonja ny vokatra niakatra, ary nahavitana namaha ny olan’ ny tsy fahampian-tsakafo ย ยป malnutritionย ยป eo anivon’ny Fonja, na ho an’i Moramanga sy Ambatondrazaka, na ho an’i Vatomandry sy Toamasina.
Ho an’ny ยซย Camp Pรฉnalย ยป eto Ampanifana, Fokontany Antsirinala Moramanga, mangahazo karazany roa no novolena tamin’ny alalan’ny fampiasana teknika vaovao ary masomboly voafantina no nampiasaina.
 
โžก๏ธVelaran-tany 4ha no norakofana mangahazo vokatra ao anatin’ny enim-bolana (6 mois). Mangahazo 400 fototra kosa no novolena ho an’ny vokatra herintaona sy tapany. Ity mangahazo vokatra herintaona sy tapany ity dia hitarina amin’ny velaran-tany mirefy 1ha ka hahazoana 1600 fototra eo ho eo.
Tanimbary mirefy 2ha ihany koa no efa voavoly ary ankoatr’ireo dia namokatra pastรจque, mananasy, voatavo ary voanjobory.
 
โญ•Ny Voafonja miisa 1600 amin’ny fonja’ Ambatondrazaka sy Moramanga dia efa nanjifa ny sakafo novokarina teo anivon’ny ยซย Camp Pรฉnalย ยป tamin’ny taona 2023, ary nahasahana azy ireo izany.
Ho an’ny ยซย Camp Pรฉnalย ยป eto Tsaratanana Vatomandry, tany mirefy 52 ha no novolena tao anatin’ny taom-pambolena mivelatra (grande saison), hahitana Vary 6ha, Katsaka 6ha, Mangahazo 40ha.
 
โญ•Ankoatr’ireo vokatra handrasana dia nahavita nisahana ny sakafon’ny Voafonja eto Vatomandry sy Toamasina ny famokarana natao tamin’ny taona 2023. Nampiavaka an’i Tsaratanana ny famokarana Vomanga karaoty, izay hahitana singa marobe ahafahana miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ( malnutrition) ary nahitam-pahombiazana ny fihinanan’ny Voafonja izany. Manana dobo fiompiana trondro ihany koa ny ยซย Camp Pรฉnalย ยป Tsaratanana Vatomandry.
 
โญ•Ny Mpitahiry ny Tombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana dia nanamafy fa tsy maintsy hitarina ny velaran-tany azo volena eny anivon’ny ยซย Camp Pรฉnalย ยป, tanjona mantsy ny fahavitan-tena ara-tsakafo tanteraka eny anivon’ny Fonja, ny fanafoanana ny tsy fahampian-tsakafon’ ny Voafonja ary hahazoana mamatsy ny Fonja hafa.
 
โœ…Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fanajana ny zon ‘olombelona sy ny fanatsarana ny fitantanana ny raharaham-panjakana.
 
Nangonin’Lay Mahintsy
โ“’ MinJust

Related Post

๐Œ๐€๐๐€๐Š๐€๐‘๐€ | ๐Œ๐ˆ๐‘๐Ž๐๐†๐€๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐Ž๐‘๐„๐๐€๐๐€ ๐“๐’๐˜ ๐Œ๐€๐๐€๐‘๐€-๐ƒ๐€๐‹๐€๐๐€

Posted by - septembre 26, 2024 0
Tena azo atao ve sa ยซย ๐œ๐จ๐ง๐ฌ๐ญ๐ซ๐ฎ๐œ๐ญ๐ข๐จ๐ง ๐ข๐ฅ๐ฅ๐ข๐œ๐ข๐ญ๐žย ยป ity รฉtage Kely miforona ao bazar ity? Araka ny heno mantsy dia tsy…