Fanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika

329 0
« Ho maro ny olo vositra amity agny »
Ny 28 Febroary 2024 vao nilaza tamin’ny Bde Vondrozo ny sefo fokontany fa nisy nanolana zaza tsy ampy taona tao Vohimary Masitafika kaominina sy distrikan’i Vondrozo tamin’ny 20 Febroary 2024 maraina.
 
Zazavavy 07 taona ao Vohimary Masitafika io nisy nanolana io tao antranony fa lasa tany antsaha ny reniny. Niditra ankeriny tao ity mpanolana ity. Nobedainy ilay zaza ary nanamparany ny filan-dratsiny dia nandositra izy avy teo. Nitomany ilay zaza nitantara ny nanjo azy tamin’ny reniny.
Nifanaraka ny Ray aman-dreny fa hatao raharaham-pihavanana ny raharaha fa tsy voaloa ilay onitra ka nahatonga ny reniny hitory.
 
Nentina tamin’ny mpitsabo tao  amin’ny CHRD Vondrozo ilay zaza. Voaporofo tamin’ny fitsirihana fa nisy nanolana tokoa. Nosamborina ilay nahavanondoza. Hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.
 
Ho vositra lezalahy ity niany.

Related Post

𝐅𝐀𝐌𝐀𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐎𝐋𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐄𝐎 𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐎𝐑𝐈𝐍𝐀𝐒𝐀 𝐒𝐈𝐑𝐀𝐌𝐀 𝐀𝐌𝐁𝐈𝐋𝐎𝐁𝐄

Posted by - novembre 4, 2025 0
Tonga any Ambilobe ny solontenam-panjakana ahitana ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa ary ny Asam-panjakana 𝑭𝑳𝑶𝑹𝑬𝑵𝑻 𝑺𝒐𝒂𝒕𝒊𝒂𝒏𝒂 𝑩𝒆𝒕𝒚 𝑳𝒆́𝒐𝒏𝒏𝒆. Ny…