Morondava, faritra Menabe | Trano iray may tsy nisy entana Avotra

116 0
Nitrangana hai-trano tao amin’ny fokotany Andakabe kaominina Ambonivohitry Morondava androany tokony tamin’ny 12 ora sasany atoandro ka trano iray no may ravan’ny afo tsy nisy entana avotra na dia iray aza nisy vola dimy hetsy sy iraitapitrisa koa may tao, tsy tao an-trano moa ny tompon_trano fa ny sasany mivarotra ao bazar be ny sasany nitety tsena any ambanivohitra, araky ny vaovao azo dia fipoahan’ny batterie izay mifahana amin’ny panneau solaire no natonga ny afo, tsy nisy entana Avotra fa nihidy ny trano nanahirana koa ny famonoana ny afo satria tery ny lalana hidiran’ny mpamonjy voina, ny ranon’ny Jirama koa tapaka ka rava tsy nisy azo raisina ilay trano sy ny entana tao amin’ny, fa nohon’ny fiaraha-mientan’ny rehetra dia voafehy tsy nitatra ny afo.
 
Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitry Jirama moa ireo mponina ny tsy hanapahana ny rano satria ny andro mafana eo koa ny loza misy toy izao.
 
Miisa 9 mianaka moa ireo olona traboina ary vehivavy bevohoka efa valo volana ny iray koa manao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ireo mpiara monina mba hijerena azy ireo satria trano vao vita tsy ampy taona iray io may io, kisoa 6 sisa Avotra satria voavonjy alohan’ny hitaran’ny afo teo amin’ilay valan-kisoa
 
Nangonin’i Ra pa – Menabe

Related Post

𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨

Posted by - décembre 4, 2023 0
𝑫𝒓 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅 (𝑬𝒅1) : 𝑭𝑰𝑻𝑰𝑨𝑽𝑨𝑵- 𝑻𝑨𝑵𝑰𝑵𝑫𝑹𝑨𝒁𝑨𝑵𝑨 𝑵𝑶 𝑵𝑨𝑵𝑶𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑨𝑯𝒀 𝑯𝑨𝑵𝑶𝑹𝑰𝑵𝑨 𝑻𝑶𝑩𝑰𝑵’𝑵𝒀 𝒁𝑨𝑵𝑫𝑨𝑹𝑰𝑴𝑨𝑹𝑰𝑨 Hoy ny 𝑫𝒓 𝑹𝑨𝑲𝑶𝑻𝑶𝑴𝑨𝑳𝑨𝑳𝑨 𝑬𝒅𝒎𝒐𝒏𝒅, Mpikaroka Raokandro Malagasy,…