Faritra Menabe nanao fanambarana ny comité de paix

284 0
Manoloana ny ezaka ataon’ny mpitandron’ny filaminana ato Menabe izay ahitana vokatra tsara ny comité de paix dia manao izao fanambarana izao :
 
Izahay Ray amandreny ato Menabe mitambatra ato amin’ny Comité de Paix dia mahita sy mahatsapa fa manomboka misy vokany mipaka any amin’ny vahoaka izay nandry anjiranantsy teo aloha ny ezaka momba ny fampandriam_pahalemana, izay ifarimbonan’ny rehetra ahitana ny OMC tarihin’ny Préfet, ny filohampokotany indrindra fa ny mpitandro filaminana mitambatra tsy ankanavaka sy ny Ray aman_dreny rehetra isantokantrano.
 
Eo rahateo izahay ato amin’ny Comité de paix izay tsy mitrahatra mifanatona amin’ireo vodrompahefana voakaisk’io olana momba ny isanambaratongany mba hampahomby ny ady atao hamongorana ny asandahalo.
Noho izany, maniry izahay ato aminny Comité de paix mba hitohy hatrany ny ezaka fampandriantany izay ataon’ny Fanjakana ato Menabe ao anatin’ny fanajana ny lalana velona eto Madagsikara, mba hahafan’ny vahoakan’ny Menabe miaina ao anatin’ny filminana sy miasa ampitoniana ho fampandrosoana ny faritra.
 
Nangonin’i Ra Pa

Related Post

Kaominina ambanivohitra Bemokotrà | Fitokanana tsena tamin’ny fomba ofisialy

Posted by - mai 18, 2025 0
𝐀𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐝𝐚𝐯𝐚/𝐁𝐞𝐦𝐨𝐤𝐨𝐭𝐫𝐚̀: 𝐍𝐢𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐨𝐟𝐢𝐬𝐢𝐚𝐥𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐭𝐞𝐨 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐢𝐬𝐚𝐤𝐲 𝐧𝐲 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲. Ny marainan’ny Alahady teo no nanatanteraka…