CR Antetezambaro | Nahazo Biraom-pokontany vaovao

236 0
CR Antetezambaro,Distrikan’ny Toamasina Faharoa:
Nitokanana ny sabotsy 24 febroary 2024 lasa teo,ny biraom-pokotany vaovao ao Ambonivato.
Hanamora ny fifandraisana eo amin’ny Lehiben’ny Fokotany sy ny Vahoaka ,sady hanamora ny fikarakarana atontan-taratasy ny fisian’izany.
 
 » Tsy hiraviravy tanana amin’ny fanohizana ny asa fampandrosoana efa natao izahay ary paik’ady mahomby anatanterahana izany,ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Mpiara-miombon’antoka sy ny manampahefana rehetra » Hoy ny Ben’ny Tanana Antetezambaro,Andriamihaja Jeannot Désiré.
 
Nanome voninahitra ny fotoana ny Solombavam-bahoakan’ny Toamasina Faharoa ROILAHY Jonah,ny Filohan’ny Fikambanan’ny Ben’ny Tanana Andrianary Thierry Didier,ary ny Lehibe’ny Distrikan’ny Toamasina faharoa.
 
Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝐌𝐀𝐍𝐀𝐆𝐀𝐓𝐀𝐊𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐌𝐈𝐓𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝟎𝐍𝐈𝐕𝐄𝐑𝐒𝐈𝐓𝐄 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐄𝐍𝐀𝐁𝐄 𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐌𝐀𝐍𝐎𝐍𝐆𝐀

Posted by - février 16, 2025 0
𝙉𝒚 𝒗𝙤𝒍𝙖𝒏𝙖 𝙖𝒑𝙧𝒊𝙡𝒚 2022 𝙣𝒐 𝒏𝙤𝒕𝙤𝒌𝙖𝒏𝙖𝒏𝙖 𝙣𝒚 𝒅𝙤𝒓𝙩𝒐𝙞𝒓 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙤𝒏𝙞𝒗𝙚𝒓𝙨𝒊𝙩𝒆 𝒉𝙤 𝙖𝒏’𝒏𝙮 𝙛𝒂𝙧𝒊𝙩𝒓𝙖 𝙈𝒆𝙣𝒂𝙗𝒆 𝒊𝙯𝒂𝙮 𝙢𝒂𝙯𝒂𝙠𝒂 𝒎𝙥𝒊𝙖𝒏𝙖𝒕𝙧𝒂 300 𝒉𝙖𝒕𝙧𝒂𝙢𝒊𝙣’𝙞𝒛𝙖𝒐…