RN6 | Ratsy be ny lalana Befotaka

964 0

Nohon’ny rotsak’orana misesisesy dia simba ary mila tsy ho azo ampiasaina intsony ny lalam-pirenena faha enina (RN), ity lalam-pirenena ity dia mampitohiny an’Antsiranana sy Antananarivo, eo  Befotaka -Maromandia moa no tena ahitana sy iharan’izay faharatsian-dalana izay.

Amin’izao fotoana izao, dia Kamiao 4 sy fiara fitaterana mahery ny 15 no mihato nanomboka omaly Zoma 23 Febroary 2024, araka ny filazan »ireo Mpitatitra dia lalina loatra ny lavaka misy eny an-dalana ka miteraka fahasimban’ny fiara, ankoatry ny oran’andro mifafy any an-toerana.

Noho izany dia velon-taraina ireo mponina sy vahoaka mivelona any amin’ity faritra ity, ka mangataka ny hijeren’ny mpitondra fanjakana ny fahavoazana lehibe mahazo azy ireo. 

Nangonin’i Sela FANAMBARANA

Related Post

𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄”

Posted by - mars 16, 2024 0
𝐓𝐎𝐋𝐎𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐑𝐀-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐀𝐍𝐀𝐓𝐎𝐍𝐀 𝐕𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 « 𝐏𝐑𝐎𝐉𝐄𝐓 𝐃𝐑𝐎𝐍𝐄” 𝐅𝐀𝐌𝐀𝐓𝐒𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐅𝐎𝐃𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐎𝐁𝐈𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐀𝐒𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐀𝐑𝐎-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…