Disitrikan’i Port-Bergé | Nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana

259 0

Anisany nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana avy tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ny vahoaka amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé. Mavitrika, mazoto mamonjy ny toeram-pitsaboana ny mponina aty an-toerana fa indrindra sendra misy hetsika tahaka izao.

Varavarana misokatra nandritra telo andro, nanomboka ny alakamisy 22 febroary teo ka hifarana anio asabotsy 24 febroary dia natao handraisana ny marary maimaimpoana. Fizaham-pahasalamana, fitsaboana sy fitiliana aretina maro no voaresaka nandritra fanokafana tao amin’ny CHRD Port-Bergé.

Ny Lehiben’ny Disitrika, Todivelo Cyrille no nanokatra an’izany tamin’ny fomba ofisialy. Sady nanentana ny vahoaka no nisaotra ny fitondram-panjakana ny tenany sy ny mpandray fitenena rehetra.

Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗥𝗔-𝗗𝗥𝗔𝗭𝗔𝗡𝗔

Posted by - juin 16, 2025 0
𝐓𝐬𝐲 𝐞𝐤𝐞𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐣𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚𝐧-𝐝𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐚 𝐤𝐚𝐬𝐚𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐀𝐦𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚 𝐚𝐨 𝐁𝐞𝐥𝐨 𝐬𝐮𝐫 𝐓𝐬𝐢𝐫𝐢𝐛𝐢𝐡𝐢𝐧𝐚 Ny asabotsy faha 14 Jiona teo…