Disitrikan’i Port-Bergé | Nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana

88 0

Anisany nisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana avy tamin’ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka ny vahoaka amin’ny Disitrikan’i Port-Bergé. Mavitrika, mazoto mamonjy ny toeram-pitsaboana ny mponina aty an-toerana fa indrindra sendra misy hetsika tahaka izao.

Varavarana misokatra nandritra telo andro, nanomboka ny alakamisy 22 febroary teo ka hifarana anio asabotsy 24 febroary dia natao handraisana ny marary maimaimpoana. Fizaham-pahasalamana, fitsaboana sy fitiliana aretina maro no voaresaka nandritra fanokafana tao amin’ny CHRD Port-Bergé.

Ny Lehiben’ny Disitrika, Todivelo Cyrille no nanokatra an’izany tamin’ny fomba ofisialy. Sady nanentana ny vahoaka no nisaotra ny fitondram-panjakana ny tenany sy ny mpandray fitenena rehetra.

Nangonin’i Gabin Eloi

Related Post

𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚

Posted by - janvier 16, 2024 0
𝐋𝐚𝐥𝐚𝐧𝐚 𝐞𝐭𝐨 𝐚𝐧𝐭𝐚𝐦𝐩𝐨𝐭𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚’𝐢 𝐯𝐚𝐤𝐢𝐧𝐚𝐤𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝐌𝐢𝐡𝐚𝐫𝐚𝐭𝐬𝐲 𝐬𝐲 𝐦𝐢𝐡𝐚𝐬𝐢𝐦𝐛𝐚   Mitombo ihany ny faharatsiana Ary mampitaraina ny mpampiasa ny lalana ,…