RAHARAHA ANKAZOMIRIOTRA | Nisy gadra mbola mamita sazy ao Mandoto

202 0

 

Tohin’ny raharaha Ankazomiriotra dia basy iray no efa tafaverina ary olona 54 no voasambotra izay ahitana lehilahy sy vehivavy
Nisy gadra mbola mamita sazy ao Mandoto ao anatin’ireo voasambotra ireo izay hita tao amin’ny fandrobana ny tobin’ny zandary tao Ankazomiriotra iny araka ny nambaran’i Procureur eto antsirabe RAHARISOA RAKOTONDRASOA

πŸ“ŒRaha tsiahivina dia tonga nanatanteraka didy fisamborana an’i andriamatoa ANDONIAINA BACOM ny zandary tao Ankazomiriotra izay iraka avy eo anivon’ny fitsarana Antsirabe
Nanda ny fisamborana azy i Bacom ka nitsoaka ireo zandary ,rehefa nanao fampitandremana ireo mpitandro filaminana ny tsy hitsoahany dia nikiry nitsoaka ihany i Bacom ;voatery nampiasa fitaovana izy ireo ka nitifitra ary Maty i Bacom rehefa nialana nenina tao amin’ny hopitaly Ankazomiriotra ,nanomboka teo ny savorovoro ary noafara tamin’ny fandrobana ny Toby Zandary Ankazomiriotra

 

Procureur eto antsirabe RAHARISOA RAKOTONDRASOA

Tribonaly Antsirabe

πŸ“ŒNanan_draharaha tao amin’ny fitsarana teto Antsirabe i Bacom nanomboka ny 19 Jiona 2018
Sazy mihatra iray taona antranomaizina no azony miaraka amin’ny lamandy 1 100 000 ar izay didy navoakan’ny fitsarana ,tsy afa_po anefa na i Bacom izay notoriana na ireo mpitory azy ka nanao fampiakarana fitsarana ambony

Ny 23 jolay 2019 dia nanamafy ny fanasaziana iray taona antranomaizina an’i Bacom n’y fitsarana ary nampiakatra ny onitra 3.600.000ar
Vitany ny sazy tany amponja fa ny onitra kosa tsy naloany
πŸ“ŒRehefa izay dia nanao fanatanterahana ny didimpitsara a ireo olona ka nanao saisie ny omby roa (2) izay fanana’i Bacom ary tamin’ny 19 dΓ©cembre 2023 no nanaovana lavanty Ilay omby roa ary nanohitra izany i Bacom niampy fandrahonana ka tsy tanteraka ny lavanty fa niala maina ireo huissier

πŸ“Œniverina nametraka fitoriana teny anivon’ny fitsarana indray ireo mpitory ary nandefa (hindro alefa na ST ) tany amin’ny Brigade Ankazomiriotra ny tonia mpanao lalana ary niafara iny fisamborana iny

Marihina fa tsy nisy resaka aditany iny raharaha iny fa ady heloka bevava

Ho lazaina manaraka eto ny tohiny

Nangonin’i Hanintra – Vakinankaratra

Related Post