πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ : πˆπ’π€ππ˜ πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€ π‡π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ 𝐏𝐀𝐑𝐂 π’πŽπ‹π€πˆπ‘π„

324 0

Ho fanatanterahana ny tetik`asam-panjakaa araka ireo ezaka tsy maintsy tratrarina dia isany distrika hisitraka parc solaire i Mandritsara. Hanampy tosika ny milina efa mihodina izao, ka hatao « hybride » Tafiditra anatin`ny 100 andro nambaran`ny filoha anatanterahana vina mifanaraka amin`ny andry telo napatraky ny filoha no atao. Androany alakamisy 22 febroary 2024, nidina tamin`ny toerana hananganana fotodrafitr`asa ny solontenam-panjakana eto Mandritsara, notarihan`by lehiben`ny distrika Velomaro L`Faustin, ny lehiben`ny Sampandraharam-panjakana miankina amin`ny fanjakana maro, sivily sy miaramila. Nanao fitsirihana ny toerana ny tompon`andraikitra avy amin`ny Jirama sy ny fananan-tany.

Indro kely tamin`ny fidinanana natao ity ny fanoheran`ireo milaza ho tompon`ny tany izay tsy manaiky ny hampiasana ny toerana noho izy ireo efa nanajary izany hatrizay. Veleran-tany 1 hektara sy sasany no ilaina ka mifanilika ireo manana tany manodidina faritra hametrahana fotodrafitrasa efa voafaritry ny teknisianina andro maro lasa. Tetsy ankilany, niroso tamin`ny fitsirahana ny tompon`andraikitra iraka manaokana ireto ka tontosa soamantsara ny asa natao na dia nisy aza ny fimenomenonana tamin`izy ireo. Ireto farany izay nilaza fa manana taratasy mazava « main levée » avy amin`ny fanjakana manome alalana ay ireo hampiasa ny tany satria an`ny fanjakana ny toerana.

Nangonin’i Claudio

Related Post

πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ | Manodidina ny 60 ireo vehivavy nahazo fiofanana

Posted by - mai 28, 2025 0
πŠπ€πŽπŒπˆππˆππ€ π€πŒππ€ππˆπ•πŽπ‡πˆπ“π‘π€ π€ππŠπ€π™πŽπ€πŒππŽ π…πˆπ“π€π‹π„π€π•π€πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππˆπ€ππ€π‘π€ππ€ π“π„πŠππˆπŠπ€ π’π˜ π…π€πŒππˆπŽπ…π€ππ€ππ€ π€π‘π€πŠ’𝐀𝐒𝐀 π€πŒπŽπ‘πŽπ’𝐈 πŒπ€ππˆπ€ 𝑡𝑰𝑺𝑰𝑻𝑹𝑨𝑲𝑨 𝑭𝑰𝑢𝑭𝑨𝑡𝑨𝑡𝑨 𝑴𝑨𝑯𝑨𝑲𝑨𝑺𝑰𝑲𝑨 𝑡𝒀 𝑴𝑢𝑭𝑢𝑴𝑨𝑴𝒀 𝑰𝑹𝑬𝑢 𝑭𝑰𝑲𝑨𝑴𝑩𝑨𝑡𝑨𝑴-𝑩𝑬𝑯𝑰𝑽𝑨𝑽𝒀 α΄€ΚŸα΄€Κ€α΄Κ™Ιͺα΄€…