Mpanendaka eo amin’ny lalana Plaque Relax Ankirihiry: Roa lavon’ny balan’ny Pôlisy,iray azo sambo-belona.

398 0
Mpanendaka eo amin’ny lalana Plaque Relax Ankirihiry: Roa lavon’ny balan’ny Pôlisy,iray azo sambo-belona.
 
Androany 21 febroary 2024 tamin’ny efatra ora maraina, teo ampanendahana olona iray takaikina stand iray teo ankirihiry ireo jiolahy miisa efatra nitondra antsy be,no nandalo ny UIR izay teo ampanaovana fisafoana. Raikitra ny fanenjehana ka ny roa nandositra nihazo lalana mandeha @ cité haras ary ny roa nihazo lalana ampita mitsofoka amin’ny mosquée iny. Ny roa nitsofoka tany am Cité haras io voatifitra io,ary ny iray tamin’ireo nitsofoka tamin’ny lalana am Mosquée io azo sambo-belona io. Raha tafatsoaka kosa ny iray hafa. Efa nalefa ao amin’ny tranom-paty Hopital be ilay roa voatifitra.
 
Tsy hitsitsy amin’izay mpanao asa ratsy mampihorohoro vahoaka ny Polisy,ary mitohy hatrany ny asa fanao isan’andro amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana ao anatin’ny 100 izay efa maro ny vokatra azo hatreto hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana,Commissaire Rakotovao Jean Christian.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆

Posted by - juillet 16, 2026 0
𝗖𝗲𝗻𝘁𝗿𝗲 𝗢𝗽𝗲́𝗿𝗮𝘁𝗶𝗼𝗻𝗻𝗲𝗹 𝗔𝗻𝘁𝗶-𝗘𝗻𝗹𝗲̀𝘃𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 𝗮𝗼 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗼𝗺𝗶𝘀𝗮𝗿𝗶𝗮 𝗧𝘀𝗮𝗿𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 : 𝗕𝗲𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘇𝗮𝘇𝗮 𝘁𝗮𝗳𝗮𝘃𝗲𝗿𝗶𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗮 𝗮𝗺𝗮𝗻-𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 𝗲𝗼 𝗮𝗻𝗶𝘃𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗮𝗻𝗮𝗸𝗮𝘃𝗶𝗮𝗻𝘆 Ho fanamafisana ny…