Mpanendaka eo amin’ny lalana Plaque Relax Ankirihiry: Roa lavon’ny balan’ny Pôlisy,iray azo sambo-belona.

247 0
Mpanendaka eo amin’ny lalana Plaque Relax Ankirihiry: Roa lavon’ny balan’ny Pôlisy,iray azo sambo-belona.
 
Androany 21 febroary 2024 tamin’ny efatra ora maraina, teo ampanendahana olona iray takaikina stand iray teo ankirihiry ireo jiolahy miisa efatra nitondra antsy be,no nandalo ny UIR izay teo ampanaovana fisafoana. Raikitra ny fanenjehana ka ny roa nandositra nihazo lalana mandeha @ cité haras ary ny roa nihazo lalana ampita mitsofoka amin’ny mosquée iny. Ny roa nitsofoka tany am Cité haras io voatifitra io,ary ny iray tamin’ireo nitsofoka tamin’ny lalana am Mosquée io azo sambo-belona io. Raha tafatsoaka kosa ny iray hafa. Efa nalefa ao amin’ny tranom-paty Hopital be ilay roa voatifitra.
 
Tsy hitsitsy amin’izay mpanao asa ratsy mampihorohoro vahoaka ny Polisy,ary mitohy hatrany ny asa fanao isan’andro amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana ao anatin’ny 100 izay efa maro ny vokatra azo hatreto hoy ny Talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana,Commissaire Rakotovao Jean Christian.

Nangonin’i Claudia Tsitolomy

Related Post

VONJEO MAROANAKOMBY FA ATAON’NY DAHALO TAMPIM-BARAVARANA IREO MPIFINDRA MONINA

Posted by - janvier 14, 2024 0
𝐕𝐎𝐍𝐉𝐄𝐎 𝐌𝐀𝐑𝐎𝐀𝐍𝐀𝐊𝐎𝐌𝐁𝐘 𝐅𝐀 𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐃𝐀𝐇𝐀𝐋𝐎 𝐓𝐀𝐌𝐏𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐑𝐀𝐕𝐀𝐑𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐑𝐄𝐎 𝐌𝐏𝐈𝐅𝐈𝐍𝐃𝐑𝐀 𝐌𝐎𝐍𝐈𝐍𝐀 —   Vonjeo MAROANAKOMBY, ( FKT Maroanakomby , Commune Rurale Mandrosonoro,…