π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€

83 0
π…πˆπ‡π€ππ€π‡π€π`𝐍𝐘 π•πˆπ‡/π’πˆπƒπ€ π„π“πŽ πŒπ€ππƒπ‘πˆπ“π’π€π‘π€ – 𝐍𝐒𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐚𝐭𝐫𝐒𝐀𝐚𝐬𝐚 𝐧𝐚𝐧𝐚𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 π­π¨π¦π›πšπ§πš 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐞π₯πšπ›πžπ₯𝐚𝐫𝐚𝐧~𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 π¦π¨π¦π›πš 𝐧𝐲 𝐚𝐝𝐲 𝐚𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧`𝐧𝐲 𝐚𝐫𝐞𝐭𝐒-𝐦𝐒𝐟𝐒𝐧𝐝𝐫𝐚 𝐒𝐭𝐲
 
Mihanaka eto Mandritsara ny aretina VIH/Sida tato anatin`ny taona vitsivitsy. Manoloana izany nikarakara atrikasa nanasana tompon`andraikitra avy alin`ny Sampandraharaha maro misy eto Mandritsara ny Hopitaly Vaovao Mahafaly eto Mandritsara izay natao tao amin`ny Espace G, maneho ny fiarahamiasa amin’ny fanjakana indrindra eo amin`ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka izao hetsika izao. Tsy mitsaha-mitombo ny tranga azo avy tamin’ny fitiliana efa vita ka antony nanantontosana atrikasa izao. Andrasana amin`ireo lehiben`ny sampan-draharaharaha nasaina ireto ny hametraka drafitrasa hamongorana fihanahan`ny aretina ity satria tanjona 2030 ny hamoanana izan.
 
✦30 tapitrisa mahery ny olona efa voany manerantany, 20 taona aty aoriana nitombo avy 3 heny izany eto Madagasikara, 7O.OOO ny olona voan`izany tamin taona lasa. Tompon’andraikitra ny tsirairay amin’ny ady tao amin aretina ity.
 
Ho an`i Mandritsara manokana: 8% mitondra izany ny 2022, 3,57% ny 2023. Mitotaly 7101 ireo voatily ny taona 2023 ka 380 tamin’ireo no pozitifa. 14 hatramin`ny 36 taona ireo mitondra izany. 18 ny mitondra izany ho an`ny taona vaovao ity.
 
Isany mampihanaka aretina ity ankehitriny ny fanaoavana firaisana ara-nofo. Vahaolana isorohana azy ity ny fanaovana fitiliana, eo koa ny fampiasana ny kapoty. Ankoatra izay mijoro ao amin’ny HVMM ny departemanta mitaiza tanora (Club EPA « Espoir Pour l’AvenirΒ Β» beazina amin’ny alalan’ny finoana ny tanora anatin’izany, ampahafantarina azy ireo koa ny vokadratsy azo avy amin’nny karazan’aretina ireo.
 
Nanatrika fotoana izao teto ny tale jeneralin`ny Hopitaly Vaovao Mahafaly Philippison Rindrasoa, ny lehiben`ny fari-piadidiam-pahasalamana eto Mandritsara, ary ireo manampahefana nasaina ; filohan`ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto an-toerana, lefitry ny lehiben`ny distrika.
 

Related Post

Jean Nirina RAFANOMEZANTSOA | Manana vina hampandroso sy hampivoatra ny Fokontany Anosizato Atsinanana, ao anatin’ny Boriboritany faha4.

Posted by - septembre 5, 2024 0
Β« π»π‘Žπ‘›π‘Žπ‘œ π‘–π‘§π‘Žπ‘¦ β„Žπ‘Žβ„Žπ‘Ž 𝐹𝐾𝑇 π‘€π‘π‘–π‘‘π‘Žπ‘Ÿπ‘–π‘‘π‘–π‘Ž ( 𝐹𝐾𝑇 π‘ƒπ‘–π‘™π‘œπ‘‘π‘’) 𝑛𝑦 πΉπ‘œπ‘˜π‘œπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘›π‘‘π‘Žπ‘›π‘Žπ‘˜π‘œ π‘Žβ„Žπ‘œ, π‘ π‘Žπ‘‘π‘Ÿπ‘–π‘Ž π‘‘π‘’π‘‘π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘œ π‘›π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘™π‘Žπ‘‘π‘ π‘Žβ„Žπ‘Žπ‘›β€™π‘›π‘¦ π‘‘π‘Žπ‘£π‘œπ‘›π‘–π‘˜π‘œ, π‘˜π‘Ž…