FONJABEN’ ANTANIMORA: MIROSO AMIN’NY FIOFANANA ARAK’ASA NY VEHIVAVY.

508 0
⚖️FONJABEN’ ANTANIMORA: MIROSO AMIN’NY FIOFANANA ARAK’ASA NY VEHIVAVY. NANOLOTRA FITAOVANA HO ENTI-MIATRIKA IZANY NY MINISITRA RANDRIAMANANTENASOA LANDY MBOLATIANA.
📌Talata 20 Febroary 2024, notoloran’i Mpitahiry Fitombokaseam-panjakana, Minisitry ny Fitsarana RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana fitaovana ho entina mianatra asan-tanana ireo voafonja vehivavy teto amin’ny Fonjamben’Antanimora mba hizaran’izy ireo asa ho fanomana azy ireo hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina.
Fitaovana fanaovana volo (brushings,brosses,produits…), Lafaoro ary misinina fanjairana no notolorana azy ireo.
⭕Ao anatin’ny vaindohan-draharahan’ny Minisiteran’ny Fitsarana ny fanomanana ny fiverenan’ny voafonja ho tonga olom-banona eo anivony fiaraha-monina. Nandritra ny lahateniny, ny Minisitry dia nanamafy fa tsy fanafaizana fotsiny ihany ny fonja fa natao indrindra ihany koa hampianatra sy hanarina an’ireo voafonja mba tsy ho vesatra eo anivon’ny fiaraha-monina (réinsertion sociale).
◽Rehefa tapitra moa ny fiofanana dia hahazo mari-pahaizana na « Attestation de réussite » izay rehetra mahavita ny fiofanana.
Izao fanofanana izao dia ho tanterahana any amin’ny fonja hafa raha ny nambaran’ny Minisitra RANDRIAMANANTENASOA Landy Mbolatiana.
 
Related Post

𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀

Posted by - novembre 7, 2025 0
𝐇𝐀𝐇𝐀𝐙𝐎 𝐅𝐈𝐓𝐀𝐎𝐕𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐇𝐀𝐈𝐍𝐎𝐕𝐀𝐊𝐈𝐉𝐄𝐑𝐈𝐌-𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀 𝐀𝐎 𝐀𝐌𝐁𝐀𝐓𝐎𝐋𝐀𝐌𝐏𝐘, 𝐈𝐎 𝐍𝐎 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐁𝐄𝐍’𝐍𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐓𝐀𝐌𝐈𝐍’𝐍𝐘 𝐌𝐈𝐍𝐈𝐒𝐈𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐒𝐄𝐑𝐀𝐒𝐄𝐑𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐊𝐎𝐋𝐎𝐍𝐓𝐒𝐀𝐈𝐍𝐀…