Asatagnamaro ho fisorohana ny fiakarany renirano Mahajilo an_tanana ao  Miandrivazo

470 0

Tsy mijanona amin’ny ady amin’ny asan-dahalo,izay efa fantatsika fa mbola voafehy ankehitriny raha ny ao amin’ny Distrikan’ny Miandrivazo ,ny andraikin’ny zandarimaria.Fa manampy koa ny  mpiara-belona amin’ny fisorohana ny loza voajanahary mety hitranga ka androany 20 febroary 2024 nanomboka tamin’ny 06 ora maraina ka hatratramin’ny 11 ora atoandro dia tsy nitsahatra nanao fanentanana manerana ny tanàna ny zandary izay tarihin’ny komandà komandin’ny vondrotobim-paritra  Miandrivazo mahakasika:

– ny fisorohana ny fitondraky ny reniranon’i Mahajilo ho an’ireo toerana iva(Tanandava,Antaninarenina,Ambaniandrefana,Antanifady fokotany Miandrivazo I)

-ny fanaovana asa tagnamaron’ny fefilohan’ny renirano Mahajilo izay tondraka be tatoato noho ny  rotsak’orana tsy nijanona nandritra ny andro maromaro,

-ny fitandroana ny fahadiovan’ny tanàna mba hisorohana ireo valan’aretina maro mety hitranga.

Isaorana daholo ny tsirairay izay nitondra ny anjara borikiny,fa indrindra ireo fokonolona ao amin’ny fokontany Miandrivazo I.


Nangonin’ny RA PA – MENABE

Related Post

𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…