LEHILAHY IRAY NIKASA HANOLANA ZAZA TSY AMPY TAONA MIISA 3 VOSAMBOTRY NY POLISY TAO MAINTIRANO

168 0

 Nosamborin’ny Polisin’ny FIP ity lehilahy 28 taona ity ny Asabotsy 17 febroary 2024 noho ny fanaovana herisetra sy fikasana hanolana zaza tsy ampy taona tao amin’ny Fkt Tanambao SPM, Kaominina Mantirano.

 Araka ny fanadihadiana nataon’ny Kaomisaria ao Maintirano dia zaza latsaky ny 13 taona miisa 3 ireo saika naolany ireo. Nirongo antsy izy tamin’io fotoana io saingy vao nahita ny fokonolona dia tsy afaka nanohy ny fikasan-dratsiny. Ankoatr’ireo dia nisy vehivavy iray ihany koa niaran’ny herisetra sy fikasana hanolana nataon’ity lehilahy ity.

 Natolotra ny sampan-draharaha miaro ny zaza sy ny olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ao an-toerana kosa ny raharaha

Nangonin’i Antenna

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆.

Posted by - octobre 3, 2023 0
𝗠𝗮𝗻𝗮𝗻-𝗷𝗼 𝗵𝗼 𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗺𝗽𝗮𝗻𝗮𝗼 𝗴𝗮𝘇𝗲𝘁𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗮𝘀𝗮𝗻𝘆. Miantsoroka andraikitra sarotra, mihatra aman’aina ny mpanao gazety, manatanteraka ny…