Takelaka iray hilazana ny KOLTORALY sy ireo rakitra sarobidy ho loavain’ny taranaka any aoriana.

Iarahana manokana amin’i Rangers Tsihaligno izay tsy zoviana amin-tsika intsony amin’ny resaka Koltoraly.

Zanak’omby tsy ampianarin-domano amin’ny asa fanaovan-gazety ny tenany, koa inoana fa hitondra ainga vao ho antsika ny fanarahana manokana ity takelana mahaliana ity.

AMPAGAHIA
ANALALAVA.

Ao anatin’ny fanjakana Antankarana faha mpanjaka dia ahitana toerana manan-tantara izay mbola tsy voazaha ny olona tsy tompontany ny fisiany. Any amin’ny vohitra ANKARANA no ahitana an’izy ireny ary misy fadiny ara tantara ny toerana misy azy.
Ny taona 1837 dia voahodidin’ny tafika izay nirahin’ny mpanjaka RANAVALONA I ny toerana nisy ny mpanjaka Antankarana TSIMIHARO I. Niafina mba tsy ho azo sambo-belona tao anaty lavabato tao amin’ny vohitra ANKARANA ny mpanjaka sy ireo vahoaka nanaraka azy. Nisy tamin’ny olona izay nanaradia azy anefa namadika ka nitolobatana tamin’ny komandy ny miaramila Merina tamin’izany fotoana izany ka nivonona hanoro ny lavabato niafenan’ny mpanjaka.

Ny Ben’ny tanana ao TOAMASINA nanoratra nivantana any amin’ny Ministrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Ito misy taratasy nalefan’ny namana iray izay mpanaraka ahy eto ka ny nanoratra azy dia ny Ben’ny tanana ao TOAMASINA ka navantany amin’ny Ministrin’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny datin’ny 18 jona 2024 ilay taratasy no nalefany tany amin’io sampan-draharaha mpanjakana io. Ny voatoatiny dia fangatahana ny fanovana ny anarana ny lalambe RATSIMILAHO ho lalambe ANDRY NIRINA RAJOELINA.

Fanazavana fohifohy momban’i ANDRIAMAHAZONORO.

Rehefa nanafatra ireo ombiasy Antemoro ho tonga hanampy azy tamin’ny fampandriana ny fanjakany tao Antananarivo ny mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA dia mbola ZAZA SOZA na « mpanara dia sady- mpibaby ny rain-drizareo fantatra amin’ny anarana hoe RAFARAMALAZA, izay tonga tamin’ny fahanterany, no andraikitra notanany voalohany tamin’izany fotoana izany. Ny rahalahiny tafaradia tamin-drizareo ka nanampy azy tamin’izany andraikitra izany dia RATSILIKAINA.

Fitaovana fangalana sary teto Madagasikara

Rehefa tafiditra teto Madagasikara ny tafika frantsay ny taona 1895 dia nitondra koa ny fitaovana fangalana sary ka nentiny nanasokajiana ireo fivondronan’olona izay nifanena tamin-drizareo na nanohitra ny fampandrian-tany nataon-drizareo. Isan’ireny ito miaramila izay nanan-talenta tamin’ny fangalana sary ka nanaraka sy nitatitra an-tsary ireo ady fanjanahan-tany nataon’ny tafika frantsay na tany INDOCHINE ary indrindra taty amintsika MADAGASIKARA.

PAUL VALERY | niampanga mafy ny taranja TANTARA manoloana ny fitantanana ny hoavin’ny fiarahamonina misy antsika olombelona

Misy mpanoratra frantsay, PAUL VALERY ny anarany, izay niampanga mafy ny taranja TANTARA manoloana ny fitantanana ny hoavin’ny fiarahamonina misy antsika olombelona. Ka toy izao ny fiampangana navelany tamin’ny sorany « NOUS MARCHONS DANS L’AVENIR A RECULONS ». Raha fehezina izany no tiany hatongavana dia tsy tokony hibanjina intsony ny lasany(le passé) ny olombelona na ny fiarahamonina izay misy azy rehefa hanankina ny hoaviny.