Mandritsara | Niakatra ny reniranon’i Mangarahara

448 0

πŸ“Œ Mandritsara – Niakatra ny reniranon’i Mangarahara vokatry ny orambe mikija Trano maromaro amin’ny faritra iva ao Mandritsara no dibo-drano vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mangarahara sy ranon’i Maroamboka.

πŸ“Œ Nikija nanomboka omaly sabotsy 20 janoary tolakandro ny orana ary tsy nitsahatra raha tsy androany alahady, 21 janoary tokony ho tamin’ny 1 ora teo.

πŸ“Œ Niakatra avokoa ireo renirano misy ao Mandritsara renivohitra ka maro amin’ny mponina monina amin’ny toerana iva no nifindra tsy fidiny vokatra izany. Isany faritra dibo-drano izay ny tao Antsahabe Avaratra, Andohomby, Ambohimandroso ary Maroamboka.

πŸ“Œ Somary tsy nampoizina ny hisian’ny rotsak’orana nikija nandritra fotoana lava izao ka vitsy ny olona tamin’ny faritra voalaza ireo niomana tamin’ny vatsy (vary, labozia, fanafody.. ) mety ilaina. Misy fokontany sasany rahateo nitoka-monina tanteraka, ny lakana hiampitana moa tsy misy.

πŸ†” Nangonin’i Claudio

Related Post

CITÉ DES CULTURES

Posted by - octobre 5, 2024 0
Ivontoerana ara_kolontsaina iray nosokafanΒ Β»ny BOA nisokatra nanomboka ny volana mey 2024 lasa teo eny Antaninarenina.Entina hampiroboroboana kolontsaina samihafa. Ahitana efitrano…

Tobim-piantsonana Andohatapenaka

Posted by - dΓ©cembre 26, 2024 0
Miankina amin’ny mpamily ny 80 isanjato eny amin’ny lalana hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka Andriamatoa Fidy RANAIVOSON. Manentana…