Mandritsara | Niakatra ny reniranon’i Mangarahara

515 0

πŸ“Œ Mandritsara – Niakatra ny reniranon’i Mangarahara vokatry ny orambe mikija Trano maromaro amin’ny faritra iva ao Mandritsara no dibo-drano vokatry ny fiakaran’ny reniranon’i Mangarahara sy ranon’i Maroamboka.

πŸ“Œ Nikija nanomboka omaly sabotsy 20 janoary tolakandro ny orana ary tsy nitsahatra raha tsy androany alahady, 21 janoary tokony ho tamin’ny 1 ora teo.

πŸ“Œ Niakatra avokoa ireo renirano misy ao Mandritsara renivohitra ka maro amin’ny mponina monina amin’ny toerana iva no nifindra tsy fidiny vokatra izany. Isany faritra dibo-drano izay ny tao Antsahabe Avaratra, Andohomby, Ambohimandroso ary Maroamboka.

πŸ“Œ Somary tsy nampoizina ny hisian’ny rotsak’orana nikija nandritra fotoana lava izao ka vitsy ny olona tamin’ny faritra voalaza ireo niomana tamin’ny vatsy (vary, labozia, fanafody.. ) mety ilaina. Misy fokontany sasany rahateo nitoka-monina tanteraka, ny lakana hiampitana moa tsy misy.

πŸ†” Nangonin’i Claudio

Related Post

π…πšπ«π’π­π«πš π’πŽπ…πˆπ€ – π“π¨π§π πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐒𝐧𝐨𝐚 π‘πšπ§πšπ¦π›π¨πšπ­π«πš π₯𝐚π₯𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐑𝐚-31 𝐛𝐒𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐑𝐒𝐑𝐲 – 𝐁𝐞𝐚π₯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)

Posted by - avril 20, 2024 0
π…πšπ«π’π­π«πš π’πŽπ…πˆπ€ – π“π¨π§π πš 𝐒𝐫𝐞𝐨 𝐬𝐒𝐧𝐨𝐚 π‘πšπ§πšπ¦π›π¨πšπ­π«πš π₯𝐚π₯𝐚𝐦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 𝐟𝐚𝐑𝐚-31 𝐛𝐒𝐬 (𝐀𝐧𝐭𝐬𝐨𝐑𝐒𝐑𝐲 – 𝐁𝐞𝐚π₯𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚)   ✦Tonga ao Antsohihy ireo sinoa avy…

π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚

Posted by - mars 29, 2024 0
Β«Β π…πˆπ“πˆπ€π•π€π-π“π€ππˆππƒπ‘π€π™π€ππ€ 𝐍𝐎 π…πŽπ“πŽπ“π‘π˜ 𝐍𝐘 π…π€πŒππ€ππƒπ‘πŽπ’πŽπ€ππ€Β Β» π…πšπ‘πšπ­π¬π’πšπ«π¨π―πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐭𝐨π₯𝐨-𝐩𝐚𝐧𝐚𝐟𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 πŸπŸ— 𝐌𝐚𝐫𝐭𝐬𝐚 πŸπŸ—πŸ’πŸ• 𝐭𝐞𝐭𝐨 𝐌𝐨𝐫𝐚𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚 Ny Minisitry ny fiarovam-pirenena no nitarika ny…