Tarika MAGE4 | Hikopak’elatra i KEN

540 0
Araky ny vaovao nambaran’ny tarika MAGE 04 , dia hiala ao amin’ny Tarika Mage4 i Ken , hiova gadona mihintsy ny lehilahy ary mbola hanohy mozika hatrany araka ny filazany.
 
38 taona i Ken ankehitriny ary mbola ao anatin’ny heriny tanteraka…
Hoy indrindra ny Tarika Mage4 amin’izao fialan’i KEN izao
 
πŸ™MISAOTRA tamin’ny ZAVA-DREHETRA lesy Ken
Nitondra avo dia avo ny tarika ialahy sady rahalahy andry niankinanay rehetra tato @ tarika. Ankehitriny dia mitsodrano an’ialahy @ izay Projet rehetra kasaina @ Mozika sy ny fiainana manontolo. Manana toerana eto anivon’ny tarika mandrakizay ialahy Ken
« MAGE 4 UN JOUR, MAGE 4 POUR TOUJOURS »
Nandalo sedra maro ny tarika tao anatin’izay 30 taona mahery izay tao ny nampalahelo fa ny betsaka indrindra dia ny fifaliana niaraka taminareo. Nanosika anay hiroso hatrany ny fitiavanareo sy ny fanohananareo. Ankehitriny, tonga amin’ny kihon-dalana vaovao izahay ary mino izahay fa hiaraka hamakivaky ity pejy ity isika satria ianareo no herinay.
 
MAGE 4 dia efa nametraka hatrany am-boalohany fa institution ny tarika, izany hoe tsy hijanona mihitsy fa hisy foana ireo manan-talenta hifandimby handrafitra izany. Tsy maintsy hisy araka izany ny casting lehibe ho ataonay hijerena izay mpikambana vaovao hiara-dalana aminay indray.
Misaotra hatrany amin’ny fitiavanareo
Samy faly 🀘
 
 
Mirary soa hoan’i Ken
 
πŸ†” Nangonin ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ

Posted by - novembre 14, 2023 0
𝗦𝗒𝗔𝗠𝗔𝗑𝗔𝗑𝗗π—₯𝗔π—₯π—œπ—‘π—¬ : α΄α΄˜α΄€Ι΄α΄‡Ι΄α΄…α΄€α΄‹α΄€,ᴍᴘΙͺᴠᴀʀᴏᴛʀᴀ ʀᴏɴɒᴏɴʏ ary α΄α΄˜α΄€α΄α΄€α΄‹Κ ᴛʀᴀɴᴏ   Lehilahy miisa 2 no voasambotra mahakasika ny raharaha fanendahana raha toa ka…

Toamasina, zaza tsy ampy taona nifanao valifaty

Posted by - novembre 23, 2024 0
π“π«πšπ§π πšπ¦-𝐩𝐒𝐚𝐫𝐚𝐑𝐚𝐦𝐨𝐧𝐒𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐧𝐲 ππžπ­πšπ’π§π¨π¦π›π²: 𝐀𝐧𝐀𝐒𝐳𝐲 𝐭𝐬𝐲 𝐚𝐦𝐩𝐲 𝐭𝐚𝐨𝐧𝐚 𝐧𝐒𝐟𝐚𝐧𝐚𝐟𝐒𝐀𝐚 𝐀𝐚 𝟐 𝐧𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐫𝐲 𝐒𝐫𝐚𝐲 𝐦𝐒𝐬𝐲 𝐦𝐚𝐧𝐠𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐭𝐚𝐧𝐲. Samy mbola mpianatra…