π’π’π¦π›πšπ§’𝐧𝐲 𝐭𝐚𝐟𝐒𝐨-𝐝𝐫𝐒𝐯𝐨𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐲 π‚π’ππŸ 𝐚𝐨 π€π§π€π’πšπ›πž π’πšπ₯𝐨𝐑𝐲

363 0
 
πŸ“Œ Tsy ho afaka ampiasaina ny tobim-pahasalamana ao Ankiabe Salohy distrikan’i Mandritsara. Simba vokatry ny tafio-drivotra mahery nandalo ny alin’ny alatsinainy 15 janoary 2024 ny fotodrafitrasa. Tsy afaka andraisana marary intsony ny trano satria efa marefo noho ny fahanterany ary ahiana hihotsaka.
 
πŸ“Œ Hisy fiatraikany amin’ny mponina ao anatin’ny kaominina Ankiabe Salohy ny fahasambana misy izao; ny vehivavy bevohoka sy ireo mitaiza manana marary no hitondra faisana voalohany voalohany amin’ny fahavoazana misy izao. Tsy hisy birao hiasana moa ny infirimiera 3 sy Mpampivelona miasa amin’ny CSB2 ity.
 
πŸ“Œ Efa nanao tatitra tamin’ny tompon’andraikitra tandrify azy ny mponina any an-toerana manoloana ny zava-misy. Manao antso ireto farany ny hanampiana azy ireo haingana.
 
πŸ†”Nangonin’i Claudio

Related Post

πŒππ€ππ€πŽ π†π€π™π„π“π˜ π€πŽ π“π’πˆπ‡πŽπŒππ„ ππˆπ‡π€π‘π€πβ€™ππ˜ π‡π„π‘πˆπ’π„π“π‘π€ ππ€π“π€πŽπβ€™ππ˜ π’πŽπ‹πŽπŒππ€π•π€πŒππ€π‡πŽπ€πŠπ€

Posted by - dΓ©cembre 9, 2025 0
Zava-nitranga manafintohina sy mampalahelo no niseho indray tany amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. π‘π€π˜πŒπŽππƒ π‰πžπšπ§ 𝐍𝐚𝐫𝐜𝐒𝐬𝐬𝐞, 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 𝐚𝐨 πšπ¦π’π§β€™π§π² π‘ππŒ…

Fiarovam-pirenena β€” Fanavaozana lehibe eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena

Posted by - novembre 16, 2025 0
π…π’πšπ«π¨π―πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 β€” π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš π₯πžπ‘π’π›πž 𝐞𝐨 πšπ§π’π―π¨π§β€™π§π² π™πšπ§ππšπ«π’π¦πšπ«π’πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚 Hoentina manakaiky kokoa ny vahoaka sy hamaly ny filΓ n’ny fiarahamonina amin’izao fotoana izao…

π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€

Posted by - mars 16, 2024 0
π“πŽπ‹πŽπ“π‘π€ 𝐀𝐑𝐀-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ πŒπ€ππ€π“πŽππ€ π•π€π‡πŽπ€πŠπ€ Β«Β ππ‘πŽπ‰π„π“ πƒπ‘πŽππ„β€ π…π€πŒπ€π“π’πˆπ€ππ€ π…π€ππ€π…πŽπƒπ˜ 𝐍𝐘 π“πŽππˆπŒ-ππ€π‡π€π’π€π‹π€πŒπ€ππ€ π’π€π‘πŽ-𝐃𝐀𝐋𝐀𝐍𝐀 ———————————- Faritra sy District saro- dalana maro no misitraka…