Miisa 417 ireo voafonja nisitraka ny famotsoran-keloka faobe,ka ny 127 amin’izy ireo no avoaka eo noho eo, ka nanomboka ny talata lasa teo ny fampodiana azy ireo. Hatramin’ny omaly alarobia dia efa 38 ireo efa tafody.
Araka ny fampitam-baovao nataon’ny Lehiben’ny Fonja eto Toamasina, ny Contrôleur d’Administration Pénitentiaire Zafilahy VONJY Stephanson tamin’ny Mpanao Gazety omaly. Nialohany namoahana azy ireo hoy izy dia nisy ny fananarana izay natao azy ireo,mba tsy hamerenany heloka intsony ,ka mba ho olona azo iaraha-monina sy mora ahitsy izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina.
Entanina ihany koa ny havany mba tsy hanilikilika azy ireny rehefa tafaverina amin’ny fiaraha-monina izy ireny. Marihina moa fa tsy anisan’ny mahazo famotsoran-keloka ireo misazy nohon’ny fanolanana.
Raha ny fantatra dia miisa 15 ireo mpanolana misazy ao amin’ny fonjan’Ambalatavoangy,nanomboka ny volana Septembre 2023 ka hatreto.
Nangonin’i Claudia Tsitolomy Tena Izy