TOAMASINA | TRATEHAKY NY POLISY ILAY MPANGALATRA TONGO-DROA

443 0

📌 Toamasina Moto Cygnus halatra hitan’ny Pôlisy avy ao amin’ny Commissariat Mangarano ka efa voarain’ny Tompony soa amantsara.

📌 Moto noentina tovolahy iray io moto io omaly alina,ka nisy olona telo lahy nitondra antsy nanendaka azy teo Mangarano akaikin’ny Prosper ka lasan’izy ireo ilay moto.

📌 Teo ampanaovana fisafoana tamin’ny alin’ny 9 janoary 2024 tokony tamin’ny folo ora alina ireo Pôlisy avy amin’ny Commissariat Mangarano,no nahita olona telo lahy nitondra moto,takaikin’ny dobon’ny Maitre tokony tamin’ny folo ora alina.

📌 Rehefa nahatazana ny Pôlisy ireo jiolahy ,dia najanon’izy ireo ilay moto ka lasa nandositra izy ireo. Tavela tao anatin’ilay moto moa ny mombamomba ilay tompony ka tamin’ny alalan’iny no nahafantarana azy,ka nantsoina nakao amin’ny Commissariat Mangarano izy naka ilay Moto.

📌 Faly sy ravo ny tompon’ilay Moto ka nanolotra fisaorana ho an’ny Commissaire Razafinaivo Erick ,Lehiben’ny Commissariat Mangarano izy ,satria tafaverina aminy soa amantsara ny moto nohon’ny fandraisana andraikitra nataon’ny Pôlisy.

🔳Nangonin’i Claudia Tsitolomy, Antsinana

Related Post

𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀 : 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐀𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐑𝐈𝐍𝐀 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐎𝐀𝐍𝐘 𝐍𝐘 𝐕𝐎𝐊𝐀𝐓𝐑𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐃𝐈𝐇𝐀𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀 𝐈𝐙𝐀𝐘 𝐍𝐀𝐓𝐀𝐎𝐍’𝐍𝐘 𝐂𝐑𝐎𝐈𝐗 𝐑𝐎𝐔𝐆𝐄 𝐇𝐈𝐀𝐓𝐑𝐄𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐈𝐕𝐎-𝐃𝐎𝐙𝐀

Posted by - février 14, 2025 0
𝑵𝙖𝒕𝙤𝒍𝙤𝒕𝙧𝒂 𝒂𝙣𝒅𝙧𝒐𝙖𝒏𝙮 𝙩𝒂𝙤 𝙖𝒎𝙞𝒏’𝒏𝙮 𝙝𝒐𝙩𝒆𝙡𝒚 𝑽𝙀𝒁𝙊 𝘽𝑬𝘼𝑪𝙃 𝒏𝙮 𝙫𝒐𝙠𝒂𝙩𝒓𝙮 𝙣𝒚 𝒇𝙖𝒏𝙖𝒅𝙞𝒂𝙝𝒂𝙙𝒊𝙖𝒏𝙖 𝙞𝒛𝙖𝒚 𝒏𝙖𝒕𝙖𝒐𝙣’𝙣𝒚 𝑪𝙧𝒐𝙞𝒙 𝒓𝙤𝒖𝙜𝒆 𝑴𝙖𝒍𝙖𝒈𝙖𝒔𝙮 𝙢𝒊𝙠𝒂𝙨𝒊𝙠𝒂 𝒏𝙮 𝙛𝒊𝙖𝒕𝙧𝒆𝙝𝒂𝙣𝒂 𝒏𝙮…