FARITRA ANÔSY MANDROSO AO ANATY NY FILAMINANA

127 0
FARITRA ANÔSY MANDROSO AO ANATY NY FILAMINANA: RAHARAHA MIKASIKA NY FITOKONANA ATAON’NY ASSOCIATION LUSUD ETO TOLAGNARO
Nihaona sy nifampiresaka tamin’Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra Anôsy Jocelyn RAHARIMBOLA sy ny tale’ny cabinetrany ireo Ray aman- dreny ara- drazana, ireo toteny eto an- toerana omaly alina, manoloana ny toe- drahadraha misy ankehitriny eo amin’ireo mpanao fitakiana izay tarihin’Andriamatoa Eugène sy ny orinasa QMM.
Fifampiraharahana ao anaty ny filaminana no takiana hoy hatrany ny nambaran’Andriamatoa Goverinora fa tsy vahaolana velively ny fanakanan- dalana izay mitondra savorovoro ho an’ny filaminam- bahoaka. Ary maneho ny fahavononany handray ireo olona loha-pitarika ity fikambanana Lusud ity ny tenenany amin’ny ho fitadiavana vahaolana maharitra.
Nanamafy hatrany Andriamatoa Goverinora fa ny Faritra Anôsy dia anisany Faritra manana tombony kokoa raha ampoharina amin’ny Faritra hafa eto Madagasikara amin’ny lafiny ara- ekonomika/ toe- karena indrindra ho an’ireo mpamatsy vola ka tsy tokony ho simbaina na lotoina amin’ny hetsika tahaka izao.
Source : Region Anôsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘

Posted by - février 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐢𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐀𝐌𝐏𝐘 𝐍𝐀𝐌𝐀𝐃𝐈𝐊𝐀 𝐌𝐏𝐀𝐌𝐏𝐈𝐀𝐒𝐀 𝐀𝐙𝐘 (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚𝐥𝐚𝐫𝐢𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐤𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐤𝐨𝐣𝐚𝐤𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐤𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐢𝐯𝐨𝐡𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…