FARITRA ANÔSY MANDROSO AO ANATY NY FILAMINANA

253 0
FARITRA ANÔSY MANDROSO AO ANATY NY FILAMINANA: RAHARAHA MIKASIKA NY FITOKONANA ATAON’NY ASSOCIATION LUSUD ETO TOLAGNARO
Nihaona sy nifampiresaka tamin’Andriamatoa Goverinoran’ny Faritra Anôsy Jocelyn RAHARIMBOLA sy ny tale’ny cabinetrany ireo Ray aman- dreny ara- drazana, ireo toteny eto an- toerana omaly alina, manoloana ny toe- drahadraha misy ankehitriny eo amin’ireo mpanao fitakiana izay tarihin’Andriamatoa Eugène sy ny orinasa QMM.
Fifampiraharahana ao anaty ny filaminana no takiana hoy hatrany ny nambaran’Andriamatoa Goverinora fa tsy vahaolana velively ny fanakanan- dalana izay mitondra savorovoro ho an’ny filaminam- bahoaka. Ary maneho ny fahavononany handray ireo olona loha-pitarika ity fikambanana Lusud ity ny tenenany amin’ny ho fitadiavana vahaolana maharitra.
Nanamafy hatrany Andriamatoa Goverinora fa ny Faritra Anôsy dia anisany Faritra manana tombony kokoa raha ampoharina amin’ny Faritra hafa eto Madagasikara amin’ny lafiny ara- ekonomika/ toe- karena indrindra ho an’ireo mpamatsy vola ka tsy tokony ho simbaina na lotoina amin’ny hetsika tahaka izao.
Source : Region Anôsy

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼

Posted by - juillet 14, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗮𝘆 𝘁𝗮𝗼 𝗮𝗻𝗮𝘁𝗶𝗻`𝗻𝘆 𝗳𝗼𝘁𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗼𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗻`𝗻𝘆 𝗮𝗻𝗸𝗼𝗵𝗼𝗻𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝘁𝗼 (𝖬𝖺𝗒 𝗇𝗒 𝗏𝗈𝗅𝖺 𝗂𝗄𝖺𝗋𝖺𝗄𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺 𝖿𝗂𝖽𝗂𝗋𝖺𝗇`𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖺𝗇𝖺𝗍𝗋𝖺) ✦Kilan`ny afo ny…