Fiara iray tsy mataho-dalana Hyundai-Galoper avy any Antsiranana no niharam-boina raha niditra ny tetezan’i ESTAPRO, fokontany Antsakoamanondro distrikan’Ambanja androany 22 desambra tokony ho tamin’ny 5 ora maraina te ho eo.
Araky ny tatitr’ireo nahita maso dia vokatry ny fandehanana mafy loatra no nahatonga ny loza. Nanidina teo amin’ny 20 metatra teo ilay fiara rehefa tsy tafiditra ny tetezana,ary nipitika tery am-pitan’ilay renirano hoy ihany ireo nanatri-maso.
5 no maty tsy tsa-drano ary anisan’izany ny mpamily izay vao tanora erotrerony, 32 taona, ary 2 no naratra mafy ka nentina vonjy maika any amin’ny Hopitaly ao Ambanja. Poitka tsy nisy azo raisina intsony ilay fiara.
Aoka isika mpamily tsy ho sodokan’ny làlana mahitsy mitoman-davana fa ho mailo foana ary hijery hatrany ireny takela fanambaràna eny an-dalana ireny. Ny patsa iray mantsy tsy omby vava rehefa tonga ny loza.
Mba ho firenena modely amin’ny resaka fandrindrana fiainam-pianakaviana i Madagasikara dia Manatanteraka fifanakalozana eo amin’ireo firenena samy hafa momban’ny Fandrindrana…
FARITRA FITOVINAGNY : Manomboka ny fanamboaran-dalana Mendrika hisitraka fotodrafitrasa avokoa ny toerana rehetra ary ny fahavitan’ny lalana dia manampy betsaka…
Amin’izao vanimpotoan’ny fahavaratra izao dia mitohy hatrany ny fanetanana ataon’ny mpilatsaka antsitra_po ny Croix rouge Malagasy ato amin’ny Distrikan’ny Morondava…
Ny alahady 17 Desambra 2023 lasa teo, tao amin’ny Espace L’ECRIN DE MAEVA, AMBOHIMANGA, Distrika Avadrano no notanterahina ny fanamasinam-panambadian’i…