HETSIKA FAMONGORANA IREO MPAKA AN-KERINY AO AMIN’NY DISTRIKA MAHABO

631 0

Tanora iray zanaka mpaka an-keriny no Lavony Balan’ny Mpitandron’ny Filaminana tao aminy Fokotany TANANDAVA ( BEKOTIKA ) , Distrikan’ny MAHABO ny Alarobia faha 20 Desambra 2023 taminy folo ora sy fefany Alina .

Raha ny zava –nisy dia nahazo vahana ny fakana an-keriny sy ny tsy fandriaham-pahalemana tao amin’ny distrikan’ny Mahabo ka niezaka ireo tompon’andraikitra olom-boatendry sy olom-boafidy niaraka tamin’ny mpitandron’ny filaminana nanao ny fidinana ifotiny isam-pokotany sy isan-kaominina nanao fanentanana sy fanadihadiana izay notarihin’ny solombavam-bahoka miaraka ny lehiben’ny distrika ary fantatra ireo ati-doha mikotroka izany ka raikitra ny fanarahan-dia sy fanaraha-maso azy ireo ka hita ny toerana misy azy ireo izay rain’ity zatovo voatifita ity isan’ireo ati-doha mpikotroka ireo fakana an-keriny ka niroso tamin’ny fisamborana azy ny mpitandron’ny filaminana ka nanao latsak’alina.

Nandrindra izany no tojo ny raiben’ity zatovo voatifitra ity izay nivoaka satria poritra ka rehefa nohadihadiana izy dia nilaza fa ao ilay olona tadiavin’ny mpitandron’ny filaminana trano roa moa no natorony satria roa lahy ireo ho samborina ka nizara roa ireo mptandron’ny filaminana saingy ny ekipa iray rehafa nanao ny fanairana natao amin’ilay trano iray dia nivoaka ity zatovo ity nitondra jiro fanao ampaosy nitsilo ireo mpitandron’ny filaminana sady nitoraka famaky ; nanao tifidanitra ireo mpitandron’ny filaminana saingy tsy noraharahian’ilay tanora fa vao maika notifiriny tamin’ny jiro ny tarehiny mba tsy hahita azy sady narahiny toraka famaky ka voatery nitifitra ireo mpitandron’ny filaminana nohon’ny andro maizim-bolana dia tsy voafetra ny tifitra ka lasa tany amin’ny nahafaty azy tsara ho marihina moa fa 13 taona ity tanora ity raha ny kaopiany izay tsy nahaterahana fa jujement satria volaza ao amin’io kaopia io fa terajka ny taona 2010 i ratompokolahy ; Nandritra izany no nitsoaka ireo olon-dratry tokony ho samborina dia nahita izay ireo mpitandron’ny filaminana dia lasa nanenjika ireo olon-dratsy saingy nohon’ny andro maizim-bolana dia tafaporitsaka izy ireo . Hatreto zany dia diso ny filazana fa nitifitra ninia namono ity tanora ity ny mpitandron’ny filaminana satria ny dadabean’io zaza maty io dia niresaka sy nitarika io mpitandron’ny filaminana nanoro ny toerana misy ireo olona izay efa malaza ratsy ireo ary efa fantatry ny raiben’ity zaza voatifitra ity ny antondihany ary izy mihintsy no nitaridalana azy ireo .

Hatreto moa dia mbola tsy nisy avy amin’ny fianakaviana namonjy ireo mpitandron’ny filamianana nanao fitarainana sy nampafantatra ny zava-nisy fa ny tambazotra serasera no mamoaka ny izay mety aminy sy fantany tsy misy fanadiahdiana ny avy eo amin’ny mpitandron’ny filamiana koa dia tsy mbola namonjynny fianakaviana nanazava ny zava-nisy marina .

Raha ny zava-misy ao amin’io distrika io nojerana dia fanilihina ireo mpitandron’ny filamianna mandray anadraikitra sady fanaratsiana ireo olom-boafidy ao koa ma tsy havoafidy andreo koa amin’ny fifidianana manaraka koa ahian’ny rehetra no hisian’ny adilahy politika ratsy amity raharaha ity Mbola tsy hita moa ireo dahalo fa ny zanany izay mbola tanora no lasa sorona .

Tsara ho marihina moa fa efa tsy mifidy taoana intsony ny fanaovana asan-dahalo ato menabe fa na dia ny vehivavy aza efa miditra an-tsehatra saingy izay mijoro sy miezaka ihany no sotasotainy mba hampidiran’ieo MAFIA mampiditra ny ekimpany.

Nangonin’i RaPa Menabe

Related Post

𝐈𝐒𝐓𝐇–𝐄𝐗𝐂𝐄𝐋𝐋𝐄𝐍𝐂𝐄 : 𝐃𝐈𝐀 𝐅𝐈𝐁𝐄𝐀𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐍𝐀𝐌𝐏𝐈𝐅𝐀𝐍𝐃𝐑𝐀𝐘 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐎𝐑𝐈𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐙𝐀𝐕𝐀-𝐌𝐈𝐒𝐘 𝐓𝐀𝐍𝐘 𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐃𝐀𝐕𝐀

Posted by - mars 31, 2026 0
Antananarivo / Morondava — Nanatanteraka dia fibeazana ( 𝙑𝙤𝙮𝙖𝙜𝙚 𝙙’𝙚́𝙩𝙪𝙙𝙚) tany Morondava ny Sekoly Ambony tsy miankina 𝗜𝗦𝗧𝗛–𝗘𝘅𝗰𝗲𝗹𝗹𝗲𝗻𝗰𝗲, ka mpianatra…

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…