ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA

141 0
 
🛑Hetsika iray manan-danja no nokarakarain’ny mpianatra, session d’été, ao amin’ny oniversité tsy miankina ESTIIM’ taona voalohany L1 amin’ny taranja rehetra, Administration/Management, Communication, Droit, Diplomatie/Sciences Politiques Informatique, ary Tourisme.
 
⭕ Ao anatin’ny tetik’asa « ESTIIM’ MIZARA HAFALIANA» ity hetsika ity izay natao indrindra mba hivelaran’ny maha-olona ireto mpianatra izay hiatrika ny tontolon’ny asa atsy ho atsy, ary hahafahany ihany koa manampy ny traik’efany rehefa ho lasa mpandraharaha sy mpitantana orinasa izy ireo.
 
🚫 Fanamby lehibe no tontosa satria dia afaka nitondra ny anjara birikiny ho an’ireo ankizy sahirana izy ireo tamin’ny alalan’ny fizarana kilalao sy vatomamy amin’izao fetin’ny noely izao. Tsy adino ihany koa ny kanokanona madinika ilaina amin’ny tokantrano toa ny savony entina hidiovana.
 
🎀 Ankizy miisa 500, izay nizara fokontany 2, Antetezana afovoany sy Andohatapenaka II, no nisitraka izany fizarana hafaliana izany.
 
❌ Raha avy any amin’ny tontolom-piaraha-monina samihafa ireto mpianatra ireto dia nahafahany mijery ary mahafantatra ny zava-misy sy trangam-pianana any amin’ireo tontolom-pîaraha-monina izay tsy niainany ity tetik’asa ity.
 
⛔ Efa tao anatin’ny 15 taona nisesy izay no nanatanterahana ity hetsika ity raha 22 taona izay no nijoroan’ny ESTIIM’.
 
📌Marihina fa efa misandrahaka eny anivon’ny tontolon’ny asa ireo mpianatra nivoaka tao amin’ny ESTIIM’ , ary dia nanampy azy ireo hatrany ny fahafahany misokatra amin’ny hafa sy mihaino ny hafa ny tetik’asa toa itony.
 
📢 Hetsika iombonana ao anatin’ny tetik’asa ihany ity hetsika ity fa samy manana ny tigetrany faritany avy ireo taranja 6 misy amin’ny Oniversité ESTIIM’ ity.
 
⚓📍 Raha maro ny milaza sy mitsikera fa nobeazina hibaiko fotsiny eo ambony latabatra ny tanora mivoaka amin’ny Oniversité dia sahy milaza ary mahatoky ireo mpianatra ao amin’ny ESTIIM fa hivoaka miaraka amin’ny fahaizana noratoviny miampy ny fahalalany ny fiaraha-monina eto Anivon’ny Riaka izy ireo.
 
❌❌ Mila tanora vonona ary sahy hiatrika ny ho avy ny firenena mba hirosoana any amin’ny fampandrosoana, ary mitondra ny anjara biriky amin’izany ny oniversité ESTIIM’ ka alao hery ary ry tanora namana. .❌❌
Nangonin’i Malala Tsa

Related Post

𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮

Posted by - juillet 22, 2024 0
𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮 – 𝗠𝗽𝗶𝗮𝗻𝗮𝘁𝗿𝗮 3 𝘁𝘀𝘆 𝗮𝗳𝗮𝗸𝗮 𝗻𝗶𝗮𝘁𝗿𝗶𝗸𝗮 𝗯𝗮𝗸𝗮𝗹𝗮𝗼𝗿𝗲𝗮 (𝑺𝒂𝒎𝒚 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕 𝒍𝒊𝒃𝒓𝒆, 𝒏𝒂𝒌𝒂𝒏`𝒏𝒚 𝒎𝒑𝒊𝒂𝒔𝒂 𝒔𝒆𝒓𝒗𝒊𝒄𝒆 𝒅`𝒆𝒙𝒂𝒎𝒆𝒏 𝒗𝒐𝒍𝒂 𝒎𝒃𝒂 𝒉𝒐 𝒕𝒂𝒇𝒊𝒅𝒊𝒕𝒓𝒂 𝒄𝒂𝒏𝒅𝒊𝒅𝒂𝒕…