Mpiaro ny Zon’olom-belona | Association Mamiratra

1199 0
 
📌Ankatok’izao fankalazana ny Faha-75 taonan’ny FIZO na Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon’Olombelona, dia manao tohivakana ny fampahafantarana ireo Fikambanana, Sehatra tsy miankiana, sy ny maro tsy voatanisa.
📌Anisan’izany ny ASSOCIATION MAMIRATRA,izay fikambanana iray mijoro ara-dalana, miasa eto Madagasikara. Manana ny Foibeny ao amin’ny adiresy 073 G TER ambohibao antehiroka | Tel : 032 56 381 32 | e-mail: andrianarivelo2@yahoo.fr.
📌FANTATRA FA 2700 EO HO EO NY MPIKAMBANA ATO ANATINY, ankoatra ny eto Antananarivo, dia ahitana ny Association Mamiratra ihany koa any Faritra Vakinankaratra, sy Faritra Boeny.
📌Ankoatrin’ny asa sosialy izay efa asa fanaon’ny Association andavan’andro, dia misy ihany koa ireo asa fanampiana ny mpiara-belona eny amin’ny fiaraha-monina eny, araka ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra.
📌Marihina moa fa nanatrika ny fihaonam-ben’ireo Mpiaro ny Zon’olom-belona natao teny amin’ny Olympia Madagascar teny Andohatampenaka ireo Mpikotra ato amin’ity Association ity androany
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲

Posted by - janvier 8, 2024 0
𝐀𝐦𝐛𝐨𝐡𝐢𝐦𝐚𝐡𝐚𝐬𝐨𝐚 | 𝐍𝐚𝐧𝐝𝐚𝐭𝐬𝐚𝐤’𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐫𝐚𝐭𝐫𝐚 | 𝟑 𝐧𝐨 𝐦𝐚𝐭𝐲 Tao Ianantsana Avaratra,Fkt Soatsiovana kominina Manandroy, Distrika Ambohimahasoa, Faritra Matsiatra Ambony.…