Gasikara Fenosoa | Vita ny fakana ambavany

593 0
Naharitra ora 4 be izao ny fakana am-bavany an’i Gasikara Fenosoa, Mpanao Gazety ao ami’ny Real Tv, tetsy amin’ny Borigadin’ny Zandarmariam-pirenena tetsy fiadanana androany.
Tonga nankahery sy nanotrona azy ireo Mpanao Gazety marobe, nahitana ny Gazety ambava, an-tsoratra, ary ny Mpanao Gazety an’habaka. Nisolon-tenany Gazety an’habaka www.feonydemokrasia.mg teny i ‘Lay Mahintsy.
 
Tazana teny ihany koa Ramatoa Filohan’ny Olafitry ny Mpanao Gazety eto Madagasikara, Ramatoa RASOLOARISOA Monica, izay niara-niditra tao amin’ny efitrano nakana ambavany an’i Gasikara Fenosoa, niaraka tamin’ny Mpisolo vava azy.
 
Tamin’ny 1 ora tolakandro no vita ny fanadihadiana tamin’ny mpanao gazety Gascar Fenosoa, ary dia ny nisaotra ireo namana no nataony voalohany.
 
Raha hiverenana dia Ny fandaharana l’Invité du Jour niarahana tamin’i Christian Tabera ny Alatsinainy 4 Desambra teo no nanaovana fanadihadiana azy hoy ny mpisolo vava Eric Rafidison
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟬𝟵 -𝟳 𝗙𝗘𝗩𝗥𝗜𝗘𝗥 𝟮𝟬𝟮𝟱 »

Posted by - février 7, 2025 0
 » 𝑻𝒔𝒚 𝒎𝒂𝒕𝒚 𝒂𝒕𝒐 𝒂𝒏-𝒕𝒔𝒂𝒊𝒌𝒐 𝒂𝒓𝒚 𝒎𝒂𝒏𝒅𝒓𝒐𝒕𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒐𝒌𝒐 𝒏𝒚 𝒓𝒂𝒕𝒓𝒂 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒃𝒂𝒏𝒈𝒂 𝒏𝒂𝒗𝒆𝒍𝒂𝒏’𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒗𝒂𝒏𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒐 𝒉𝒐 𝒂𝒏’𝒏𝒚 𝑻𝒂𝒏𝒊𝒏𝒅𝒓𝒂𝒛𝒂𝒏𝒂 »…

𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗢𝗠𝗕𝗔𝗡’𝗘𝗭𝗔𝗞𝗔 𝗠𝗢𝗠𝗕𝗔 𝗜𝗥𝗘𝗢 𝗔𝗦𝗔 𝗩𝗜𝗧𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗔𝗡𝗢𝗦𝗬

Posted by - août 31, 2024 0
𝗛𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝘀𝗮𝗿𝗮𝗻𝗮 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 𝗻𝘆 𝗳𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗳𝗶𝗮𝘀𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘁𝗮𝗻𝘁𝗲𝗿𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝘁𝗮𝗻𝗷𝗼𝗻𝗮 𝗻𝗮𝗽𝗲𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗮𝘀𝗮 𝗳𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 mifanaraka amin’ny voarakitra ao amin’ny Drafitra…