𝐄𝐅𝐀 π€ππ“πˆπ“π‘π€ π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ π€ππƒπ‘πˆπ-π‰πˆπ‘πŽ π„π“πŽ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€

434 0
𝐄𝐅𝐀 π€ππ“πˆπ“π‘π€ π“π€ππ“π„π‘π€πŠπ€ πˆπ‘π„πŽ π€ππƒπ‘πˆπ-π‰πˆπ‘πŽ π„π“πŽ π’π€ππŽπ“π’π˜ ππ€πŒπ„π‡π€ππ€, πŒπ€π‘πŽ 𝐍𝐎 ππŽππŽππ†πŽπ‹πŽ πŠπ€ π€π‡πˆπ€ππ€ π‡πˆπ“π„π‘π€πŠπ€ π‹πŽπ™π€ π‡πŽπ€πβ€™ππ˜ πŒππŽππˆππ€
 
πŸ“Œ Mandry andriran’antsy ny ankamaroan’ireo Mponina ety Kaominina Sabotsy Namehana, noho ireo andrin-jiro efa miha antitra sy bobongolo ka ahiana hitera-doza hoan’ny vahoaka ety amin’ny Fokontany, hoy ny fitarainan’ny Mponina ety amin’ny FKT Tsarafara.
 
πŸ“Œ Ny ankabeazan’ny andrin-jiro ampiasain’ny Jirama ety mantsy dia mbola hazo avokoa, ary tsampa sy hita fa tena efa ela tsy nisy fanoloana ka manomboka tapaka. Noho izany dia mikirazorazo amin’ny tany ny tariby mpitondra herin’aratra, ka na dia zaza kely 5 taona aza dia hahatakatra hikasika azy. Noho izany dia tena hatahorana mafy hitera-doza.
 
πŸ“Œ Araka ny filazan’ny Mponina, dia efa nisy fampandrenesana ny Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mbarak’androany tsy misy valiny, kanefa rehefa noahtonina sy nanontaniana ny Tompon’andraikitry ny Jirama eto Sabotsy Namehana ihany, dia nilaza izy fa mbola tsy naharay fitarainana mihintsy hatramin’ny anio.
 
πŸ“Œ Raha resaka teknika tahaka izany, dia antsy tsy mahatapa-bilona izahay Jirama eto Sabotsy Namehana, fa mila miantso ny laharana vert 457, antso maimaim-poana tsy handoavam-bola, ka ny foibe no maniraka anay, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ny avy eo amin’ny Jirama.
 
πŸ“Œ Very fanahy mbola velona ny Mponina manoloana an’ity loza mitatao ity, ka dia manao antso vonjy amin’izay tompon’andraaikitra tandrify azy.
 
Nangonin’i ‘Lay Mahintsy

Related Post

𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒππ€ππ€πŒππ˜ ππ€πŒπ€πƒπˆπŠπ€ πŒππ€πŒππˆπ€π’π€ π€π™π˜

Posted by - fΓ©vrier 9, 2024 0
𝐌𝐚𝐧𝐝𝐫𝐒𝐭𝐬𝐚𝐫𝐚 – πŒππ€ππ€πŒππ˜ ππ€πŒπ€πƒπˆπŠπ€ πŒππ€πŒππˆπ€π’π€ π€π™π˜ (𝐍𝐚𝐧𝐠𝐚π₯𝐚𝐫𝐒𝐧𝐲 𝐚𝐯𝐨𝐀𝐨𝐚 𝐧𝐲 𝐀𝐨𝐣𝐚𝐀𝐨𝐣𝐚 𝐭𝐚𝐨 𝐚𝐧-𝐭𝐨𝐀𝐚𝐧𝐭𝐫𝐚𝐧𝐨, 𝐧𝐚𝐧𝐝𝐨𝐬𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐧𝐨𝐝𝐲 πšπ¦π›πšπ§π’π―π¨π‘π’π­π«πš 𝐚𝐯𝐲 𝐞𝐨…)   ✦Tovovavy iray…