RN2 : Fanamiana Zandary sy Police maromaro no hita tao Savalaina

180 0
RN2 : Fanamiana Zandary sy Police maromaro no hita tao Savalaina
.
 » Akanjo novokarin’ny orin’asa iray avy ao Antananarivo izy ireo,ka halefa aondrana any ivelany amin’ny alalan’ny Sambo no nisy nangalatra tamin’iny RN2 iny efa ho iray taona izay. Nisy namaky teny andalana ny container nisy an’ireo fanamiana ireo.
Fanamiana mpitandro ny filaminana maro no very tamin’izany.
 
Omaly no nahazo loharanom-baovao ny Zandary,fa nisy nanary t@ RN2 iny ireo fanamiana ireo ,ka fanamiana Police ( Polo miisa 40) sy fanamiana Zandary (Polo miisa 2) no hita » araka ny fanazavan’ny Colonel Ranaivoarison Theodule Kaomandin’ny Vondrotobim-pileovan’ny Zandariamariam-pirenena Atsinanana.
Hamafisiny ny antso atao amin’ny olona tsara sitrapo ,mba hanome loharanom-baovao ka hampilaza ny mpitandro ny Filaminana raha mahita olona sivily mivarotra na manao an’ireo fanamiana mpitandro ny filaminana ireo satria mbola eo andalam-pikarohana ny olona tompon’antoka amin’izany izy ireo hatramin’izao.
Nangonin’i Be Tsimisaraka

Related Post

ANKILIVALO, MAHABO MPANGALAJAZA 3 NO TRATRA KA MATY VOATIFITRA NY ROA

Posted by - décembre 22, 2023 0
𝐀𝐍𝐊𝐈𝐋𝐈𝐕𝐀𝐋𝐎, 𝐌𝐀𝐇𝐀𝐁𝐎 𝐌𝐏𝐀𝐍𝐆𝐀𝐋𝐀𝐉A𝐙𝐀 𝟑 𝐍𝐎 𝐓𝐑𝐀𝐓𝐑𝐀 𝐊𝐀 𝐌𝐀𝐓𝐘 𝐕𝐎𝐀𝐓𝐈𝐅𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐍𝐘 𝐑𝐎𝐀 — 📌 Nitrangana hala-jaza tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ankilivalo…